Politique

Ankolafy Ravalomanana - Tiako i Madagasikara Fetison sy Mamy Rakotoarivelo no voatsodrano ho solontena ofisialy


  • Alarobia 01 Septambra 2010

Manoloana ny fifamahofahoan-javatra ankehitriny dia nisy ny fanambarana ofisialy voasonian’ny filoha Marc Ravalomanana sady filohan’ny ankolafy Ravalomanana rahateo manamafy fa ingahy Fetison Rakoto Andrianirina, filohan’ny delegasiona Ravalomanana sady voatendry ho filoha mpiara-mitantana ny tetezamita sy ingahy Mamy Rakotoarivelo, filohan’ny Kaongresy avy amin’ireo Parlemantera maro an’isa, araka izay voasoratra ao anatin’ny fifanarahana tany Maputo sy tovana Addis Abeba no hany afaka misolo tena ofisialy ny ankolafy Ravalomanana sy ny antoko Tiako I Madagasikara amin’izay fihaonana na koa dinika ho fikaroham-bahaolana hivoahana amin’izao krizy izao.

Ny Tiako I Madagasikara koa dia nambaran’Atoa Marc Ravalomanana, filoha mpanorina azy fa iray tsy mivaky. Mazava izany ny resaka eto fa dia fisolokiana andraikitra sy anarana ny ankoatra ny voalazan’ity taratasy fanomezam-pahefana ity. Misinda ihany koa ny ahiahin’ny maro manoloana ny fiedinedenan’ny andian’olona sasany misora-tena ho filohan’izatsy na izaroa, ka mihevitra ny hamatotra ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara amina fifanarahana politika (?) tsy mikendry afa tsy tombontsoa manokana sy fitadiavana seza fotsiny, fifanarahana sady tsy hamaha krizy no tsy mitsinjo ny tombontsoam-bahoaka akory. Mazava koa eto ny resaka fa tokana ny Tiako I Madagasikara, dia izay tarihin’ny filoha Marc Ravalomanana. Noho ny tsy maha eto an-toerana azy, dia ireo olona roa voarakitra an-tsoratra amin’ny taratasy ofisialy ireo, dia i Fetison Rakoto Andrianirina sy i Mamy Rakotoarivelo, na ny solontena tendren’izy ireo no nomem-pahefana hisolo tena azy amin’izay fifampidinihana hatao ho famahana ny krizy. Tsy hanapa-tena tsy ankiera anefa ireo, fa izy Marc Ravalomanana no tompon’ny teny farany. Tonga amin’ny fotoana niandrasan’ny maro azy ity fanambarana nataon’ny filoha Ravalomanana ity, indrindra taorian’ilay didim-pitsarana nivoaka ny sabotsy 28 aogositra teo mikasika ny raharaha 7 febroary, manasazy azy hanao asa an-terivozona mandrapahafaty, sy fisian’ny fivorivorian’ny andiana mpanao politika eny Vontovorona eny, izay tsy fanta-bahoaka ary matahotra fifidianana ny ankamaroany, nefa mikasa ny hametraka ho kolontsaina ka hanamasina ny fanonganam-panjakana sy ny fifandimbiasana any am-ponja eto amin’ity Madagasikara ity. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT