Mitohy ny fitetezana tanŕna ataon’ireo mpanentana Ankolafy Ravalomanana hitambaran’ireo fikambanana na « Associations » rehetra mbola miatrika ny tolona famerenana ny ara-dalŕna sy ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana mandraka ankehitriny, toy ny Fikambanan’ny Very asa, ny Kmfb, ny Aldr, Fimapro sns… ka omaly alakamisy 24 janoary izy ireo dia nilatsaka teny amin’ny faritra Atsimondrano (Ifarihy, Ankaraobato, Tanjombato).
Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny fanentanana nataon-dry zareo ny fampahafantarana tamin’ny vahoaka ny zava-nitranga marina tamin’ny alatsinainay 26 janoary 2009 teto amin’ny firenena izay nisiana fandrobana fananan’olona sy fananam-panjakana, fandorona tranom-panjakana sy tranon’olon-tsotra, fandrombana samihafa ary famonona olona ho lasa kitoza mihitsy aza.
Teo koa ny fanazavana ny antony tsy maintsy hodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana mialohan’ny fifidianana. Liana tamin’ny fanazavana nomen’ireto delegasiona ireto ny mponina tamin’ireo toerana nandalovana ka nanapa-kevitra ihany koa fa hirotsaka an-tsehatra hanatanterahana ny fanentanana amin’ny fiomanana amin’ny fitsenana ny fahatongavan’i Dada ka namaly ny antso nataon’ireto mpanentana fa hanatanteraka izany maimaimpoana ary ho avy mavitrika amin’izay hanatevina ny tolona eny amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.