Hivoaka an’ny Magro Behoririka ka hifamotaoana eny amin’ny «Place de l’Amitié» eny Amboanjobe ny Ankolafy Ravalomanana amin’ny sabotsy 09 febroary ho avy izao.
Haneho izy ireo fa izany Zanak’i Dada izany dia miray hina tanteraka indrindra ao anatin’izao ankatoky ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana izao. Ankoatra ny fakan-drivotra sy kilalao isan-karazany ary ny dinidinika ambany tafontrano samihafa dia fantatra fa hisy ny nofon-kena mitam-pihavanana hozaraina amin’io andro io. Ireo parlemantera CST sy CT voatendry avy amin’ny Ankolafy ary ireo minisitra ao amin’ny governemanta Ankolafy Ravalomanana mazava loatra no tompomariky ny hetsika. Handray anjara amin’izany koa ny mpitolona rehetra nitaky ny famerenana ny ara-dalàna sy ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, indrindra ireo niaritra ny efa-taona teny an-kianja.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.