Politique

Ankolafy Ravalomanana Delegasiona hanotrona an’i Mamy Rakotoarivelo no ho eny Iavoloha


  • Alatsinainy 07 Janoary 2013

Hotanterahina eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny alarobia 09 janoary izao ny lanonana fifampiarahabana noho ny Asaramanitra ifanaovan’ny andrim-panjakana sy ny masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara.

Tompom-panasana ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina mivady, toy ny nitranga hatramin’ny 2010. Eo anatrehan’ny fifandroritana misy sy ny fifanenjehan’ireo samy mpitondra ny tetezamita dia mety ho betsaka ny seza banga eny Iavoloha amin’ity indray mitoraka ity. Raha ny avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana fotsiny, ohatra, dia re fa mety ho delegasiona hanotrona an’i Mamy Rakotoarivelo, toy ny tamin’ny taon-dasa ihany no ho eny Iavoloha. Atoa Mamy Rakotoarivelo moa, dia amin’ny maha lehiben’ny andrim-panjakana, filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, no hahatongavany eny. Araka ny loharanom-baovaonay dia efa voafaritra ny kabariny. Tsy mbola nambara ho fanta-bahoaka kosa anefa ny votoatiny, fa dia miandry amin’io alarobia 09 janoary io, vao hiaraha-mandre.
Tsiahy fotsiny no ilazana, fa tamin’ny 2011, teo am-pamaranana ny kabariny ny filohan’ny kongresin’ny tetezamita, dia nanambara ampahibemaso raha nitodika tany amin’ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, fa dia ho avy tsy ho ela Atoa Marc Ravalomanana. Mbola hanamafy ny voalazany herintaona lasa ve Atoa Mamy Rakotoarivelo amin’ity ? Izy rahateo no lehiben’ny ankolafy Ravalomanana eto Madagasikara, sady Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako Madagasikara, izay antoko najoron’Atoa Marc Ravalomanana.
 
Nangonin’i Britto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT