Politique

Ankolafy Rajoelina Hiverin-dalana indray ...


  • Alakamisy 01 Aprily 2010

Ao anatin’ny asa tanteraka any Afrika Atsimo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ary maro dia maro ny fifampiresahana sy fivoriana ataony amin’ireo tompon’andraikitra isan-karazany eo anivon’ireo fikambanana iraisam-pirenena.

Efa nanamafy ny tenany fa tsy hipetra-potsiny manolona ny fahorian’ny Malagasy vokatry ny fanonganam-panjakana nitranga teto, herintaona lasa izay. Azo lazaina fa anisan’ny fandresena lehibe ho an’i Marc Ravalomanana sy ireo ankolafy 3, ny mety ho fiverenan-dalan’ny ankolafy Rajoelina indray atsy ho atsy. Miha mazava ihany mantsy izao fa tsy ho raikitra ilay fifidianana solombavambahoaka, ary tsy maintsy ny vahoaka ihany no handany na hitsipaka ny fanovana ny lalàmpanorenana any amin’ny volana jolay any. Efa nanao izay tratry ny heriny ihany i Andry Rajoelina sy ireo mpanolotsaina ary ny mpiara-miasa akaiky aminy, saingy tsy naharesy lahatra ny sehatra iraisam-pirenena. Ny Frantsay izay mpanohana ny HAT rahateo moa tsy afaka ny hitsivalana amin’ny fanapahan-kevitr’izao tontolo izao, fa tsy maintsy hanaiky ary hampanaiky an’i Andry Rajoelina mba hanangana ilay tetezamita iaraha-mitantana miaraka amin’ny ankolafy telo. Efa tsy eto Madagasikara intsony no misy ny tolona sy ady varotra politika, amin’izao fotoana, fa any ivelany any.

Tsy dia re feo firy amin’izay i Didier Ratsiraka sy Zafy Albert, fa ny ankolafy Ravalomanana sy Andry Rajoelina izao no samy mihetsiketsika fatratra. Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra anefa dia tsy hahatohitra ny herin’i Marc Ravalomanana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy i Andry Rajoelina. Tsotra ny antony : efa nahay nifandray am-polo taonany maro tamin’ny vahiny i Marc Ravalomanana, ary mbola atokisan’izy ireo hatramin’izao noho ny zavatra nisongadina nataony teto Madagasikara. I Andry Rajoelina kosa dia malaza fa mpanongam-panjakana ary tompon’andraikitra amin’ny fitotongan’ny toekarena malagasy amin’izao fotoana, manampy izay nanaratsy endrika an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany tany ivelany ny fandripahana ny hazo sarobidy indrindra ny «bois de rose» tany amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy iny, izay tao anaty faritra voaaro, vatsian’ny sehatra iraisam-pirenena vola. Tsy resahana intsony ny fitomboan’ny kolikoly sy ny herisetra. Ho fehin’izay rehetra izay dia tsy tafavoaka mihitsy ny HAT raha tsy miara-miasa amin’ny ankolafy 3 satria tena mbola sarotra ho an’i Madagasikara izany miaina, tsy miaraka amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany, ary tena ho ratsy ny vokany, izay hiteraka krizy sosialy tsy azo eritreretina mihitsy.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT