Politique

Ankolafy Madagasikara “Tsy mila an-dRajoelina hitarika ny 26 jona”


  • Zoma 04 Jona 2010

Hiavaka ity 26 jona 2010 ity raha jerena ny zava-misy eto amin’ny firenena. Ankoatra ny hanamarihana ny faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena izay mifamatotra amin’ny fetin’ny foloalindahy, izay feno 50 taona koa ankehitriny, dia eo koa tsy ampoizina hataon’ny ankolafy 3.

Raha tsy misy aloha ny fiovana amin’ny ora farany, dia voalaza fa hiverina an-tanidrazana mialoha ny 26 jona ny filoha isany Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka, hoy ny pastera Edouard ny alarobia lasa teo. Vokatr’izany dia hiavaka tokoa ny 26 jona 2010, eo koa ny tsy faharesen-dahatry ny maro an’isa fa tena mahaleotena tokoa isika, indrindra toa nibaribary loatra tato anatin’izao krizy izao fa dia i Frantsa avokoa no ambadik’ireo. Tetsy andanin’izany dia nitaky ny amin’ny hamerenana ny fitaovan’ny radio Fahazavana, sy hamoahana ireo mpiasan’ity onjampeo ity sy ny pasitera Valisoa izy ireo. Nambaran’ny tao amin’ny Magro Behoririka koa omaly fa dia tsy mila an’i Andry Rajoelina hitarika ny fetin’ny 26 jona izy ireo fa ny ankolafy 3 no hanao izany. Fa i Mektoub El Camille kosa no nilaza fa dia hitodika any Maorisy ny Malagasy ato ka any indray no hametrahana ny fanantenana amin’izao raharaha izao. Raha ny momba ny hoe : niala tsy ho filohan’ny ankolafy Rajoelina izy ka dia nijoro ireo raiamandreny dia zavatra hafa mihitsy no nitranga, hoy ny fanazavana. Zary lasa hikarohana tombontsoa ilay fihaonambem-pirenena. Ny fampihavanam-pirenena no tokony hirosoana aloha, araka ny fanazavan’i Mektoub ihany. Nohamafisin’ny Vondrona Eoropeanina ny sazin’ny FAT sy ny sazin’i Madagasikara, hoy kosa ny pasitera Edouard, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Ho tapaka tanteraka izany ny fanampiana ara-bola an’i Madagasikara ary dia hitombo isa ireo fadiranovana noho izany. Mitohy isan’andro moa ny hetsiky ny ankolafy telo etsy amin’ny Magro Behoririka. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT