Fanafoanana miaraka amin’ny vava ilay didy hitsivolana laharana 60-082 natao ny 13 aogositra 1960 momba ny fanaovana hetsika an-dalambe ; tsy tokony hisy intsony ny adihevitra olon-tokana fa ny iraisan’ny rehetra raha misy fanapahan-kevitra goavana sy lehibe eto amin’ny firenena, ny fanajana sy fanatanterahana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Adis Abeba
Ny fanajana ny satan’ny teny nifanomezana na ‘charte de valeurs’ ; ny fandravana miaraka amin’ny vava ny governemanta sy ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) miaraka amin’ireo mpikambana ao aminy. Santionany amin’ireo soson-kevitra heverin’ny vahoakan’i Toliara mivondrona amin’ny ankolafy Madagasikara fa hivoahana amin’izao krizy izao ireo. Tokony hovahana haingana ny krizy fa sahirana sy mosary ny vahoaka madinika, hoy izy ireo. Ankoatra izay dia miombon-kevitra ny amin’ny tokony hirosoana amin’ny fihaonambem-pirenena sy ny fampihavanam-pirenena ihany koa i Toliara. Ny fihaonambem-paritra, hoy izy ireo no hiaraha-midinika, hahafahan’ny besinimaro hanolotra ireo soso-kevitra toy ny rafitra hitantanana ny firenena dia ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana, tsy misy mizàna tsindrian’ila. Tokony hisy koa fifanekena miaraka hialana amin’ny fanjakana tsy refesi-mandidy sy jadona, hialana ihany koa amin’ny krizy miverimberina eto amin’ny firenena. Ho an’ny ankolafy Madagasikara Toliara dia tsy tokony hanao politika sy hiditra ao anatin’ny antoko politika, indrindra ny fandraisana anjara amin’ny goverenmanta sy ireo rafitra itsinjaram- pahefana samihafa ny mpitsara sy ny miaramila. Heverin’ireto vondron’olona ireto koa fa tsara raha zaraina renivohitra maromaro ny eto Madagasikara, hialana amin’ny fivangongoan’ny fahefana amin’ny toerana iray, ohatra, hoe renivohitra ara-politika, ara-toekarena, ara-kolontsaina sy ny maro hafa. Momba ny Fampihavanam-pirenena indray dia mila hamafisina ny rafitra tetezamita hisahana ny fampihavanam- pirenena, toy ny komitim-pirenena misahana izany na ny CNR, araka izay voarakitry ny satan’i Maputo hisiana fifamelana eo amin’ny samy mpanao politika sy samy foko, ny famotsoran-keloka faobe.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.