Politique

Ankolafy Madagasikara Toamasina Tsy midika ho fahalemena ny fahanginana


  • Zoma 23 Aprily 2010

Nihaona tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny Fréderic Hôtel ny mpitarika sy ny mpikambana vitsivitsy ao amin’ny ankolafy Madagasikara Toamasina omaly, nandritra izany no nitondran’izy ireo ny heviny sy ny fahitany ny raharaha politika eto amintsika ankehitriny.

Ho an’i Kotomanantsoa Remi (Lonlon) avy amin’ny ankolafy Zafy dia nilaza mazava izy fa “tsy marina ny feo aelin’ny HAT fa i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ihany no hihaona any Afrika Atsimo. Voamarina ary efa fantatra hatrany am-boalohany fa raha ny filoha Ravalomanana dia tsy hanaiky izany ka tsy maintsy izy efatra mirahalahy no hiatrika izany fihaonana izany. Aminay dia fomba sy tetika hampisamatsamahana ny fiarahana efa matotra eo amin’ny ankolafy telo mitaky ny tena ara-dalàna sy fiaraha-mitantana ary ny fampiavanam-pirenena izany”.

Rasamimaka Mahefalahy, mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina kosa dia tsotra ny azy ireo araka ny nambarany “na hisy na tsia ny fihaonana any Afrika Atsimo dia mitohy hatrany aloha ny hetsika rehetra. Hisy aza afaka andro vitsy ny hetsika atao ao Toamasina, izay hanaovana fampitam-baovao ho an’ny vahoaka no hiraisana hina ihany koa amin’ireo delegasionan’ny ankolafy”. Nambaran-dRasamimaka Mahefalahy koa fa tsy resaka fanonganam-panjakana na fakana fahefana amin’ny tsy ara-dalàna no katsahan’ny ankolafy telo. Efa misy, hoy izy ny fifanarahana natao dia ny fanajana izany araka ny sonia natao no takianay, tsy izay ihany fa tetezamita iaraha-mitantana no tanjona mba tena samy ho tompo-marika amin’ny fananganana ny Repoblika faha-04 ny rehetra. “Tsy midika faharesena na fahalemena ny tsy fitenenana. Tsy maintsy mijery sy mandinika ary manao fanadihadiana aloha, mialoha ny hilazana ny tena hevitra mba hafonja sy tena misy fiantraikany amin’ny vahoaka ny hetsika atao” izay kosa no nambaran’ny ankolafy Ratsiraka notarihan’i Velo Alexandre nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity. Nomarihan’izy ireo hatrany fa “tsy mila herisetra intsony ny Malagasy». Ankoatra izay, nohamafisin’ireto ankolafy telo ireto fa “na eo aza ny filazana fa tokony hajanona ny hetsika misy amin’izao fotoana izao, dia tsy hampitsahatra izany izy ireo raha tsy efa tafapetraka araka ny fifanarahana ny fandaminana ny fitondrana, ary efa miverina amin’ny ara-dalàna ny fiainam-pirenena sy ny vahoaka Malagasy”. Tsy mila sinema intsony ny Malagasy fa mila fitantanana raiamandreny tena tompon’andraikitra tanteraka amin’ny ho avin’ny firenena.
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT