Politique

Ankolafy Madagasikara Tapa-kevitra fa hiroso amin’izay


  • Alarobia 17 Martsa 2010

Andro farany tamin’ny fihaonana tao amin’ny Magro Ankorondrano ny omaly, araka ny fanentanan’ny sekretera jeneralin’ny MFM, Rakotovazaha Olivier.

Hiala ao Ankorondrano ny ankolafy telo manomboka anio fa haneho ny heviny eny an-dalambe ireo Malagasy tsy hanaiky hiharan’ny sazy amin’ny tsy fampiharana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba, ary tsy hanaiky ihany koa ny fihazonan’ny mpanongam-panjakana ny fitondrana. Nampiomana ny mpiara-dia aminy, hivatsy sakafo maivana ny mpitarika. Tsy eto an-drenivohitra ihany io hetsika io, fa hatrany amin’ny faritra ihany koa. Dingana hafa no hatrehana manomboka anio, hoy Rabe François. Efa am-bolana izay no nananganana ny Komity miaro ny satan’i Maputo sy Addis Abeba ho fampanjariana ny fiainam-bahoaka ka niomanan’ny isam-pokontany amin’izao hetsika izao. Etsy andanin’izany, raha ny resaka fifidianana dia nazava ny tenin’ny depiote Camille Mektoub, nilaza fa tsy matahotra fifidianana ny ankolafy Madagasikara fa mila mazava ny fepetra rehetra, hoy izy.

Rakotovazaha Olivier no nampahafantatra fa eto amintsika ny minisitra maoritaniana. I Maoritania izay iaraha-mahalala ny tantarany teo amin’ny resaka fanonganam-panjakana sy ny fifidianana feno hosoka. Mpisahan-draharaha tany Maoritania no tadiavina entina eto Madagasikara, hiara-hanomana ny fifidianana ka tsy azo ekena, hoy i Olivier Rakotovazaha. Ny hosoka amin’ny alalan’ny bileta tokana no tadiavina hatao eto amintsika, raha ny fanazavana. Fa ankoatra ireo dia niantso fitsarana iraisam-pirenena ho an’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ihany koa ny ankolafy telo. Vono moka no atao ny vahoaka Malagasy ankehitriny, araka ny fanazavana ihany. Ny tsy famonjena ireo traboinan’ny rivodoza, ny fanapotehana ny fiainam-bahoaka, ny tsy fahazoana famatsiam-bola, ny fanimbana ara-toekarena dia vono moka atao ny Malagasy avokoa. Mendrika fitsarana iraisam-pirenena izany. “Hirotsaka an-dalambe, hiezaka hiaro ny safidy, ny ara-dalàna isika”, hoy ireo mpitari-tolona.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT