Tomefy olona ny kianjan’ny ara-dalàna ao Ankorondrano ny sabotsy 27 febroary lasa teo.
Nahatonga solontena teny an-toerana avokoa ny sokajin’olona maro, na miasa tena, na mpiasam-panjakana, na tsy an’asa, ny avy eto an-drenivohitra sy ny faritra manodidina. «Tsy manaotao foana isika raha nanangana isam-pokontany ny Komity miaro ny satan’i Maputo sy Addis Abeba ho fampanjariana ny fiainam-bahoaka», hoy ny mpikambana eo anivon’ny Kaongresy Camille Mektoub. Adidy eo amin’ny firenena aza izany, satria tsy misy lalàna fototra hitondrana ny firenena, hoy ihany ity solontenan’ny ankolafy Zafy Albert ity. Tsy voafaritra ao anatin’ny tetezamita ireo mpikambana eo anivon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ankehitriny, araka ny fanazavany ihany. Ny tanjona dia mba ho modely amin’ny fahamarinana i Madagasikara. Ny zavatra hita ankehitriny, hoy izy dia efa manomboka mihatra ny sazy. Aorian’ny tena hilatsahan’ny sazy, araka ny vaovao ihany dia hipetraka daholo ireo rafitra sy antanan-tohatra rehetra eo anivon’ny tetezamita iraisana. Tsy fantatry ny Malagasy ny zava-nisy marina teto amin’ny firenena hatramin’izay, hoy kosa ny mpikambana eo anivon’ny Kaongresy, Zafilahy Stanislas. Ny fifandraisana teo amin’i Frantsa sy Madagasikara no nasiany tsindrim-peo. Raha nahazo ny fahaleovantena politika i Madagasikara ny taona 1960, hoy izy, dia nosalovanina sy nozanahana ara-toekarena hatrany ny Malagasy. Santionany fotsiny, raha ny lahateniny ny resaka fanondranana izay tsy maintsy nandalo teo amin’i Frantsa. Hatramin’izay koa dia nametraka olona teto i Frantsa hiarovany ny tombontsoany. «Aoka izay ity filalaovana politika eto Madagasikara ity», hoy ihany i Zafilahy Stanislas. Nohamafisiny koa fa tsy misy tokony hatahoran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamiat ny fodian’ireo filoham-pirenena roa hafa mbola any ivelany amin’izao fotoana izao. Nosoritsoritany fa mikatsaka mafy ny fampihavanam-pirenena ary hitantana izany i Zafy Albert. Tsy hanakorontana fa hanoro hevitra izay ho filoha eo kosa ny amiraly Ratsiraka ary na dia teo aza ny ratsy natao tamin-dRavalomanana, tsy hamaly faty azy ireo mihitsy izy. Betsaka loatra ny mpamadika ity farany, hoy ihany ny solombavambahoakan’i Vavatenina ary hatramin’izao dia mbola misy mpamadika ihany ka dia mbola «mikororoka Andriamanitra». Ny fampandrosoana an’i Madagasikara no imasoan’ny filoha Ravalomanana, hoy izy ary amin’izao fotoana izao, dia efa mikarakara ny hanavotana ny firenena. Etsy an-danin’izany dia fantatra, araka ny hafatra nampitain’ny pastora Edouard fa dia ho avy eny an-kianja ny profesora Zafy Albert. Ny fotoana ho amin’izany no tsy nofaritany. Hitohy hatrany moa ny hetsika amin’ity herinandro ity. Araka ny fantatra dia ny alakamisy sy zoma izao no hanaovan’ny FAT ny loabary an-dasiny, ny ankolafy Madagasikara koa dia mikasa ary mivonona hanao hetsika goavana amin’ity herinandro ity, tsy latsaka izany koa ny hataon’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.