Politique

Ankolafy Madagasikara Manomboka ny fanisana andro


  • Zoma 12 Martsa 2010

Nangorom-potsy ny kianjan’ny ara-dalàna omaly. Nanoina ny antson’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana hanaovana ny akanjo fotsy omaly ireo mpomba ny ankolafy 3.

Manana hatramin’ny 16 martsa i Madagasikara, fetr’andro nomen’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hampiharana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba izay dingana hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna taorian’ny fanonganam-panjakana niseho teto, herintaona lasa izay. Araka izany dia andro vitsy sisa dia hihatra amin’ireo sakana amin’izay fiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna izay ny sazy. Kihon-dalana goavana no lalovana ankehitriny, hoy i Camille Mektoub. Na misy na tsy misy Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) dia tsy maintsy hiroso isika, hoy ihany izy. Tetsy an-danin’izany dia nambaran’ny solombavambahoakan’i Mahanoro fa “raha izahay vahoaka no hosaziana dia miomana ianareo fa tsy maintsy hihatra aminareo ihany koa ny sazim-bahoaka”. Rehefa tapitra ny 16 martsa, hoy ireo mpitari-tolona dia tsy ho sakana intsony ny ankolafy Rajoelina. Andro sisa isaina, araka ny fanazavana. Efa mametrapetraka ny zavatra hatao miaraka amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny GIC ireo filoham-pirenena roa any ivelany amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavana ihany. Rehefa vita izany dia hodinganina i Andry Rajoelina sy ny tariny, hoy ihany ireo nandaha-teny. Etsy an-danin’izay, na dia betsaka aza resaka aely momba ny tsy fahazoan’ireo ankolafy telo maneho hevitra intsony etsy amin’ny kianjan’ny ara-dalàna dia mbola eny an-toerana no hifamotoana izy ireo amin’ity anio ity.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT