Politique

Ankolafy Madagasikara Handray andraikitra ny vahoaka raha…


  • Alakamisy 04 Martsa 2010

Na handeha na tsy handeha any Addis Abeba ny ankolafy Rajoelina, dia tsy olana ho an’ny ankolafy Madagasikara izany, hoy ny i Tsiandopy Georges, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert.

Momba ny fihaonana eny Ivato manomboka anio kosa dia nambarany fa efa miainga any ny fanambazana vola 15 000 Ariary ho an’ireo hanatrika izany atrikasa Teny Ifampierana izany, araka ny fanazavana ihany. Fa tetsy andanin’izany, nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny kongresy, Camille Mektoub, fa dia tsy manana hoavy politika intsony ireo mpamadika palitao, na ireo namadika ny filoha Ravalomanana, na ireo namadika ny vahoaka satria namadika ny tanindrazana.

 
Tsy mitombina, hoy izy, ny filazana minisitra iray mitonon-tena ho filohan’ny foko 18 satria tsy hozaraina amin’ny resaka foko ny Malagasy na i Madagasikara. Ny solombavambahoaka Zafilahy Stanislas kosa dia nankahery ireo mpiara-mitolona : «ny marina tsy mba maty ary aza matahotra fa minoa fotsiny ihany», hoy izy. Mazava ankehitriny fa i Andry Rajoelina sy ny tariny no mamotika izao firenena izao. Raha tsy ho any Addis Abeba ny ankolafy Rajoelina, hoy i Zafilahy Stanislas, dia atao mampamangy amin’alaelo. «Raha tsy ho avy ianareo dia handray andraikitra ny vahoaka», hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy. Tetsy an-danin’izany moa dia nahitsy ny tenin’ny solombavambahoakan’Arivonimamo teo aloha, Rakotomanjato Rodin fa dia ireo manodidina an’i Andry Rajoelina no mpanogam-panjakana.
 
Nahitana azy ireo hatrany ny fanovan-drafitra sy fanonganam-panjakana nitranga teto, hoy ihany izy. Raha ny vola nolanian‘ny Fahefana Avon’ny Tetezamita tamin’ny atrikasa, hoy ity olom-boafidy no nanampiana ny tantsaha dia efa nahazoam-bokatra tsara. Ireo ankolafy Madagasikara, dia ny ankolafy Ravalomanana, Ratsiraka izay tsy hita eny an-kianja tato ho ato, ary Zafy Albert dia samy nanamafy fa tsy handray anjara amin’io fihaonana momba ny fifidianana hataon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita manomboka anio io.   
 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT