Politique

Ankolafy Madagasikara Hanao diabe amin’ity herinandro ity


  • Talata 22 Jona 2010

Hisy matso iarahan’ny vahoaka, hoy ny solontenan’ireo fikambanana miara-dia amin’ny ankolafy Madagasikara nandray fitenenana tao amin’ny Magro Behoririka omaly.

«Tsy ekena raha ny Frantsay no hitantana an’i Madagasikara ka hanjanaka antsika fanindroany indray. Fahaleovantena marina no tadiavin’ny Malagasy”, araka ny fanazavana. Hisy diabe antsoina hoe : diaben’ny Fandresena hatao amin’ity herinandro ity, hoy kosa i Joachim. Nanao karazana tatitry ny zava-misy tany Toliara koa moa ny tenany. Tamin’izany no nilazany fa miakatra any am-bovonana ny Tokobe Telo ankehitriny. “Tsy maintsy mihetsika koa isika eto an-drenivohitra”, hoy izy. Ho an’i Clermont, solontenan’ny ankolafy Ravalomanana avy any Antsohihy izay tonga eto an-drenivohitra dia nambara fa i Madagasikara iray manontolo ankehitriny no tsy mankasitraka ny fitondrana FAT. Tsy lany Olomanga ihany koa i Madagasikara na ny faritra tsirairay, hoy izy, ka raha fonjaina ny iray dia misy mipoitra foana eo. Momba izay vaovaon’ny faritra izay ihany, dia nambaran’ny dokotera Julien, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert fa dia mafana ny any Manakara. Ny any amin’ny faritra avaratra, araka ny fanazavana, dia nandefa iraka ny FAT hamafa ny dian’ny ankolafy telo tonga any. Araka ny fanazavan’ny dokotera Julien ihany dia may volon-tratra ny FAT amin’ny resaka “bois de rose”, kanefa tsy maintsy hipoitra io resaka hazo sarobidy io, hoy izy. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT