Ny Mompera Sylvain Urfer, ny solontenan’ny Papa Ray Masina, ireo mpitarika ny EKAR eto Madagasikara amin’ny ankapobeny no niantefan’ny fanontanian’ireo mpino katolika nandray fitenenana tao amin’ny Magro Behoririka omaly.
Ho an-dRandriamanampizafy Ignace, avy any Moramanga dia nahitsy ny teniny : “Tao an-tranontsika katolika no namaranana ny fanonganam-panjakana ny 17 martsa, tao amin’ny Episcopat Antanimena. Voavingavinga tamin’ireny ny filohan’ny Fjkm izay mitovy laharana amin’ny Arsevekan’Antananarivo mitarika ny Ekar manerana an’i Madagaskara kanefa na iray aza tsy niala tsiny akory ianareo raiamandreny katolika afa tsy ny Kardinaly irery”, hoy izy. Nialoha ny 17 martsa 2009 dia fanafihana mivantana mihitsy no natao ny fitondrana teo aloha, araka ny fanazavany, nefa dia nangina tanteraka ireo raiamandreny ireo na dia nitohy tamin’ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona, ny tsy fisian’ny fahalalahana maneho hevitra aza izany satria haino aman-jery maro no nakatona, norobaina ary nisy koa ireo mpanao gazety nogadraina sy mbola any am-ponja hatramin’izao. Ankoatra izay dia nasian’ity mpino katolika ity teny koa ny raharaha “7 febroary 2009” nanamelohan’ireo raiamandreny katolika ny Fanjakana tamin’ny fotoan’androny kanefa nisy 35 hafa nodorana velona teo Analakely ary nisy aina maro koa nafoy noho ny tifitra kanefa dia tsy re feo izy ireo.
Nasian’i Ignace teny manokana ny hevitry ny mompera Sylvain Urfer izay teratany frantsay voaroaka tsy handia ity firenena ity nefa dia tafaverina eto Madagasikara indray ny volana novambra 2009. “Rehefa tsy teto an-toerana ianao, dia aza miteny ny zavatra tsy hainao sy tsy fantatrao”, hoy izy nahitsy. Ho an-dRakotovazaha Olivier izay mpino katolika ihany koa dia nanontany hoe : aiza ho aiza amin’ny tenin’ny Papa Benoit XVI ao anatin’ilay hoe ‘caritas in verita’, adika malalaka hoe ny fitiavana ao anatin’ny fahamarinana, no misy milaza fa tokony hanohana na ekena ny fanonganam-panjakana ? Fa ankoatra izay dia nasian’ireo mpitarika teny ihany koa ny dikan’ny sazy ampiharin’ny vondrona eoropeanina. Ireny sazy ireny dia midika, hoy izy ireo fa “aongany ireo mpitondra fa tsy ekenay”, ka ny fanasaziana no bomba diplomatika ampitain’ireo fianakaviambe iraisam-pirenena ny hafatra amin’ny vahoaka Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.