Politique

Ankolafy 3 Tsy mampatahotra anay ireny !


  • Alakamisy 11 Novambra 2010

“Tsy hangina intsony izahay, satria mihamafy ny jadona hirosoana amin’ny 17 novambra”, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana.

Tsy maintsy tohizana ny tolona, hoy ihany izy ary dia nohamafisin’i Emmanuel Rakotovahiny izay nilaza fa” tsy ireny no hampatahotra anay fa handroso hatrany izahay, ireny no vokatry ny tsy nahafahana niditra tao amin’ny malacam”. Araka ny faanzavan’i Fetison Rakoto Andrianirina dia vao maraina ny olona no efa tonga teny amin’ny Malacam. Efa nisy mihitsy aza anefa ireo tafiditra tao amin’ny Malacam kanefa nivoaka tamim-pilaminana izy ireo rehefa nasaina nivoaka. Niezaka nifandraharaha ihany ireo mpitarika fa tsy nahazo rirany. Araka ny fazavana  ihany dia tsy afaka nahemotra intsony nyhetsika satria efa nahazoana alalana na tamin’ny prefet na tamin’ny kominina. Araka ny fanazavana ihany, dia nisy ny ‘message radio’ avy amin’ny minsiteran’ny ati-tany tamin’ny 28 oktobra 2010, laharana 3875 milaza fa ny fampielezan-kevitra ihany no azo hatao hamoriam-bahoaka. Manoloana izany, dia fanontaniana no napetrak’ity mpitarika ny ankolafy Ravalomanana “midika ve izany fa Andry Rajoelina tao amin’ny lapan’ny kolotsaina sy ny fanatajahantena sy any amin’ny faritra dia mampandany ny Eny. Aiza ny Ceni amin’izany resaka izany, maninona ny prefet no tsy manakana an-dRajoelina kanefa dia mazava fa ny mpitondra dia tsy afaka manao propagandy na an-kolaka io na mivantana”, hoy ihany izy. Araka izany, dia tsy hihemotra ny ankolafy 3 na inon-kidona na inon-kihatra. Araka ny fantatra dia hanao fangatahana indray ny ankolafy 3 amin’ity anio ity. 

Nangonin’i Soa  
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT