Politique

Ankolafy 3 Tsy hihemotra na tsy azo aza ny kianjan’i Malacam


  • Talata 09 Novambra 2010

Hatramin’ny fotoana nanoratana dia tsy mbola azon’ny ankolafy 3 ny kianjan’i Malacam na dia efa ‘nomen’ny kominina tamin’ny fomba ofisialy’ aza fa azon’ny ankolafy 3 hanehoan-kevitra.

Raha nanome ny kominina dia nanda kosa ny prefektiora satria voalaza fa tsy tomombana ny fangatahana. Efa nampoizina ihany izao fihetsiky ny ‘mpitondra’ izao. Ho an’ireo mpanara-dia ny ankolafy 3 dia mazava ny resaka. “Fatahorana ny ankolafy 3 no tsy hanomezana ny Malacam satria na dia vetivety aza ny fanentanana dia toy ireny ny vokatra. Raha mpitondra tokoa tokony hatoky tena satria demokrasia no nodradraina teto”, hoy Rtoa Claudia. Manamafy izany koa Rtoa Voahangy. “Tsy tiana hipoitra ny marina ka izay kianja leihibebe angatahana tsy azo mihitsy. Omeo iray andro izahay na alahady aza, hidio ny fivarotana rehetra dia aza asiana miaramila dia ho hita eo ny herim-bahoaka”, hoy izy. “Fatahorana sy fialonana no betsaka mba tsy ahitana ireo karazan’olona tsy mankasitraka io fitondrana io”, hoy kosa Rtoa Hanta. Mazava moa ny toromarika avy amin’ireo mpitarika. Tsy hihemotra na Malacam na tsy Malacam fa tsy maintsy mampiseho hery ny ankolafy 3, hoy Raveloson Constant. Ny kianjan’ny Malacam rahateo, hoy izy, mbola ana orinasa manokana fa tsy toerana natokana ho an’ny vahaoka. Fitapitaka ara-politika no tsy hahazoana io kianjan’i Malacam io, hoy kosa Rakotoamboa Jean Louis ka arirarira sy hanaovana antsojay. “Raha mahazo na tsia ny kianjan’ny malacam ny ankolafy 3 dia tsy maintsy mandresy ny tolona”, hoy izy.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT