Politique

Ankolafy 3 : Tonga nanohina ny antso Antananarivo


  • Alakamisy 04 Novambra 2010

Sioka tokana, hoy ny fiteny dia tonga ny vahoaka. Izay no azo ilazana ny zava-niseho tetsy amin’ny kianjan’i Malacam omaly. Tonga nanohina ny antson’ny ankolafy Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy ireo vahoaka maro be.

 Tamim-pilaminana no nizoran’ny fanehoan-kevitry ny ankolafy 3 teny an-toerana tamin’ity antso voalohany ity. Tsy nisy rahateo ny savorovoro na ny fifandonana tamin’ireo mpitandro ny filaminana. Niavaka ny hetsika omaly. Vao niditra ireo mpitari-tolona dia fandakana baolina rugby no nataon’ingahy Fetison Rakoto Andrianirina. Saika teny an-toerana avokoa ireo mpitari-tolon’ ny ankolafy 3. Rehefa elaela no tsy nandrenesana azy ireo dia teny an-toerana nanokatra ny fotoana ihany koa ny tariky ny “Aza mba hitako ihany”, mpanao tantara tsangana, nitondra ireo vaovao nisongadina teto amin’ny firenena. Anisan’ireo nandray fitenenana ny printsy Elakovelo, avy amin’ny ankolafy Ratsiraka.

Tsy manaiky ny krizy lavareny ny vahoaka Malagasy, hoy izy. Mila miala Rajoelina, hoy izy. Hamafisinay, hoy ihany ity solontenan’ny ankolafy Ratsiraka ity, fa hifarana ny tolona ary hiverina eto an-tanindrazana ireo filoha roa lahy. Hampahafantarina tsy ho ela, hoy ihany izy, ny fahatongavan-dRatsiraka. Amin’izay fotoana izay, hoy izy, dia hivoaka ny trano avokoa ny Malagasy ary dia hanangan-tsaina ny rehetra. Nohamafisiny ihany koa fa salama ireo filoha 3 lahy ary dia tsy hisy io fifidianana petatoko io. Nazava moa ny toromari-dRaveloson Constant ny amin’izany. “Aiza ilay Antananarivo maditra, handrava ny 17 novambra. Io ilay Antananarivo norobaina, ilay very asa ka lasa nangataka ary nolatsaina amin’ny tsena mora. Tsy vahoaka mihaino kabary no ilaina fa vahoaka maneho hevitra. Manomboka eto, dia ento daholo ny sorabaventy, asehoy fa mitsipaka ny 17 novambra Antananarivo”, hoy ihany izy.

Tetsy andanin’izany dia nanome toky Rtoa Ravololomanana fa tsy hitondra Malagasy hatao sorona fa mila Malagasy mandray an-tanana ny ho aviny, mety mandray toromarika. « Asehoy fa tsy izy Andry Rajoelina ary tsy maintsy tratra ny tanjona mialoha ny 17 novambra », hoy ihany ity mpitarika ny Madagasikarantsika. « Tsy hijanona eto isika fa fanombohana izao », hoy kosa Yves Aimé Rakotoarison. Ampy izay fandeferana rehetra izay fa horavana avokoa na ny 17 novambra na ny 20 desambra ary koa ny FAT, hoy ihany izy. “Aoka hifarana hatreo ny lainga sy ny fitaka fa na ekenao na tsy ekenao dia tsy maintsy mody Ratsiraka sy Ravalomanana”. Fahombiazana no azo hilazana iny fihaonana voalohan’ny ankolafy 3 tetsy amin’ny Malacam iny. Fantatra fa amin’ny alarobia heriny ny fihaonana manaraka eny Antanimena fa mitohy kosa ny eny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka.

 
Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT