Politique

Ankolafy 3 tany Sofia “Radio trottoir” sisa no ahenoan’ny Malagasy vaovao


  • Talata 22 Jona 2010

Ambilobe, Antsohihy ary Port Berger no notsidihan’ireo lohandohan’ny mpisorona avy amin’ny ankolafy Madagasikara, hivondronan’ny firehana Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert.

Nomena anjara fitenenana manokana ireo vahoaka nandritra ity dia ity. Ho an’ny tao Antsohihy manokana dia nambaran’ny solontenan’ny vahoaka fa «tsy mety aminay ny mankalaza ny fahaleovantena, izay niadivan’ny Filohan’ny Repoblika voalohany, Philibert Tsiranana, izay zanak’Antsohihy raha mbola krizy toy izao no iainan’ny firenena», hoy izy ireo. Araka izany dia tsy mankasitraka ny hankalazana amin’ny fomba manetriketrika ny faha-50 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara izay karakarain’ny FAT amin’izao fotoana izao ny any Antsohihy. Tetsy an-danin’izany dia nambaran’ny profesora Zafy Albert fa mametraka tetikady vaovao indray ny fitondrana FAT. Efa betsaka, hoy izy ny fandaharan’asa napetraky ny FAT hamoahana samirery ny firenena ao anatin’izao krizy izao saingy nandamoka avokoa ireny.

Sarin’ady avokoa ireny Raiamandreny Mijoro, ny Komity napetraka handrafitra ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra ireny, araka ny nambarany, satria misy ambadika goavana miafina ao amin’ilay antenimieram-panorenana na “Assemblée Constituante” sy ny fialan’i Andry Rajoelina tsy ho mpitarika ny ankolafy misy azy io. Anisan’ny nanatrika ny fihaonana koa ry zareo avy amin’ny Monima izay nilaza fa “ny olana eo amin’ny fampitam-baovao no tsy ahafahan’ny olona mitsara ny marina sy ny tsy marina amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena”. Ny “radio trottoir” izao no nahenoan’ny vahoaka fa ho avy hitsidika ny tanàna ny mpitarika ny Ankolafy telo. Tsy mitsahatra mamerimberina moa ireo rehetra nandaha-teny fa dia tsy maintsy miainga amin’ny fampihavanam-pirenena ny fametrahana tetezamita tena izy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Izany indrindra no antony anentanan-dry zareo ny vahoaka any amin’ny faritra ny hijoro, ho sahy haneho hevitra sy hanohitra ny fiziriziriana tsy te hamoaka ny firenena ao anatin’izao krizy izao. “Miainga aminay mpanao politika ny fifamelan-keloka ka noho izany no efa mampivondrona ny Ankolafy telo amin’izao fotoana izao”, hoy ny Mpitarika ny delegasiona Ravalomanana.

Tao Port Bergé moa no namaranan’ny ankolafy telo ny dia ho an’ny omaly ka nisongadina tamin’iznay ny fandrasaim-pitenenan’i Lalatiana Ravololomanana izay niompana indrindra tamin’ny fanazavana ny tsy mampety izao fitondran-dRajoelina izao. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT