Politique

Ankolafy 3 Miomana hiazo ny araben’ny fahaleovantena


  • Alatsinainy 14 Jona 2010

Efa niala tao anatin’ny komitim-pirenena misahana ny fampihavanana, tarihin’ny profesora Zafy Albert i Pierrot Rajaonarivelo, hoy ny solombavambahoaka Camille Mektoub.

Fanajana azy no nilazana fa mpikambana tao amin’ny ankolafy Zafy Albert izy hatramin’izay, hoy ihany ity solontenan’ny ankolafy Zafy ity, izay nanambara fa hafa dia hafa ity krizy 2009-2010 satria tsy vitan’izay lava fa tena sarotra tokoa. Araka ny fanazavany, ny fahasahian’i Marc Ravalomanana nanohitra ny Frantsay no anisan’ny fototry ny krizy ka tsy mampivaha azy hatramin’izao. Anisan’ny nahatezitra ny Frantsay, raha ny fanazavana, ny nahalasa ny fiteny anglisy ho teny ofisialy faha-3 eto amintsika. Nahatsiaro tena ho nailika ny Frantsay, hoy ihany i Mektoub ary dia nohamafisin’ireo fikambanana isan-tsokajiny fa tsy mihevitra ny hampandroso ny zanataniny izany i Frantsa.

Tetsy an-danin’izany dia nambaran’i Zafilahy Stanilas fa mibaribary amin’izao fotoana izao ny olona tia tena manabotry an’i Madagasikara. Nazava koa ny tenin’i Olivier Rakotovazaha nilaza fa hiteraka krizy vaovao ny fanaovana fifidianana amboletra. Ao anatin’ny tolona moa dia fantatra, araka ny nambaran’ny pasitera Edouard, fa hitondra saina ireo mpitolona ho tonga eny amin’ny Magro manomboka amin’ity alatsinainy ity. Hisy koa andro iray hivoahana ivelan’ny kianja hihazoana ny araben’ny fahaleovantena. Araka izany dia mety hafanafana indray ny toe-draharaha eto an-drenivohitra ato ho ato satria, eo ireo fety isan-karazany hanangonan’ny mpitondra FAT olona, eo koa ny hetsiky ny ankolafy telo izay inoana fa dia hifandona indray amin’ireo mpitadro ny filaminana na dia hahazo fahazoan-dalana aza, raha hahazo. 

Nangonin’i Soa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT