Fifanentanana hahatongavana maro eny amin’ny kianjan’ny Malacam no nibahan-toerana tetsy amin’ny kianjan’i Magro omaly.
Na dia eo aza ny fanakatsakanana an-kolaka sy mivantana amin’ny fahazoan’ny ankolafy 3 ny kianjan’i Malacam dia fantatra fa dia hiroso izy ireo ka tsy hipody koa, hoy ny fitenenana. Rehefa tsy antonona io toerana io, hoy ingahy Jean Son dia ho eny Mahamasina isika. Nahazo fahazoan-dalana isika ho an’ity fihaonana ity, hoy ihany koa ny depiote Rodin izay nanamafy fa betsaka ireo tsindry bokotra natao tamin’ny kominina fa dia nanaiky ihany ity farany. Momba ny dinika an-databatra boribory kosa dia nambaran’ny solotenan’ny ankolafy Zafy Albert fa tsy hisy an-dRajoelina ny dinika manaraka. Ankolafy 6, araka ny vaovao ihany no handray anjara amin’izany dinika izany. Tsy afaka hiala amin’io dinika io raha tiana ny hiverenan’ireo filoha mirahalahy.
Momba ny fitsidiham-paritra ataon’ny filohan’ny FAT dia voalazan’ireo nandaha-teny tetsy amin’ny kianjan’i Magro fa dia terena tsy hianatra sy tsy hiasa ireo mpiasa fa tsy maintsy manotrona izany fahatongavan’i Andry Rajoelina izany. Fantatra ihany koa fa ben’ny tanàna 1100 manerana ny nosy no vonona hanongana an’i Andry Rajoelina. Araka izany, hoy ny ankolafy 3, dia tsy izy ireo irery intsony no manohitra izao fanjakana mijoro izao fa ny oniversite sy ny ben’ny tanàna ihany koa dia miombom-peo aminy.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.