Politique

Ankolafy 3 Hiditra amin’ny “Plan B” raha mitsefotra Afrika Atsimo


  • Alatsinainy 26 Aprily 2010


Kihon-dalana goavana ho an’ny fiainam-pirenena, hamantarana na hivoaka ihany na mbola hihitsoka ao anatin’izao krizy mangitsokitsoka izao i Madagasikara sy ny Malagasy. Miankina indrindra amin’ny finiavana politika ananan’ireo mpanao politika Malagasy ny hoavin’ny vahoaka 20 tapitrisa. Ny alarobia izao dia handinika ny ho tohin’ny toe-draharaha any Pretoria, Afrika Atsimo ireo lohandohan’ny mpisorona rehetra. Efa am-panomanana ny dinika hatao any ny firehana tsirairay. Raha ny vaovao, dia rahampitso talata no hanainga ny ankolafy Ravalomanana, mbola an-dalam-pandrafetana kosa ireo izay ho mpikambana eo anivon’ny delegasiona. Ny sabotsy lasa teo moa dia nifamotoana teny amin’ny kianjan’ny Fanantenana teny Tanjombato, ireo ankolafy telo, Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert. Tsy mahazo misaraka ireo firehana telo ireo, hoy ny solontenan’ny ankolafy Ratsiraka, raha nampita ny hafatry ny Amiraly. Tsy an’olon-tokana i Madagasikara, hoy i Lahimena ka tsy maintsy ny tombontsoan’ny maro an’isa no jerena. Mirongatra ny kajikajy politika rehetra amin’izao fotoana izao. Araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka Hery Raharisaina dia misy olona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana hiditra eo anivon’izay ho governemanta hajoron’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita eo mba hilazana fa efa tenierana ary handraisan’ny rehetra anjara, ahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Araka ny fanazavan’ity olom-boafidy ity ihany dia hiditra amin’ny drafitra faha-2 na “Plan B” izy ireo raha toa sanatria ka tsy tanteraka na tsy hahomby ny any Afrika Atsimo. Tsy fantatra mazava anefa izay tena ho vontoatin’izany drafitra izany. Ho an’ity anio ity dia hihaona eny amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka ireo ankolafy telo sy ireo mpanara-dia. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT