Politique

Ankolafy 3 Fiomanana ihany ny teny amin’ny Malacam


  • Zoma 05 Novambra 2010


Santatra am-bavarano ary dingana voalohany ihany ny teny amin’ny Malacam ahazoana ny fanjakana, hoy ny solontenan’ny UdemPro, Jean Son omaly tetsy amin’ny kianjan’i Magro. Nohamafisin’ny solombavam-bahoaka Zafilahy Stanilas fa fanomanana amin’ny fakana bahana ihany ireny. Tsy ny ankolafy 3 irery intsony no mahatsapa fa potika ny firenena, hoy ihany ity olom-boafidy ity ka mila hatambatra ny hery. Isan’ny antony nampitambatra ny ankolafy 3, araka ny fanazavana, ny hanova ny fomba fanaovana politika eto amintsika. Hatreto tokoa manko, hoy izy, dia tsapa fa tsy Ravalomanana izay nampangaina no mpangala-bato. Ankoatra izay dia samy mahatsapa ihany koa ny rehetra fa tsy misy izay zanatany Frantsay teo aloha ka tsy misy korontana toy ny ady an-trano. Tsy tokony hipetra-potsiny isika manoloana izany, hoy izy satria tsy adala ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ankoatra izay dia nanambara Zafilahy Stanilas fa mino ny tenany fa mialoha ny krismasy no ho tafaverina eto an-tanindrazana ireo filoha 2 lahy.

Nangonin’i Soa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT