Politique

Ankolafy 3 Aoka ho mailo fa mandady ny trambo


  • Zoma 30 Aprily 2010

Hatramin’ny fotoana nanoratana dia tsy mbola nisy zavatra tapaka aloha tamin’ny dinika atao any Pretoria, andraisan’ireo ankolafy 4 anjara, Ravalomanana, Ratsiraka, Rajoelina ary Zafy Albert, eo ambany fiahian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia ny Groupe International de Contact tarihin’ny filoha mozambikana teo aloha, Joachim Chissano.

Betsaka ny sahoan-dresaka, ny paipaika politika natao nialoha sy mandritra ity fihaonana ity. Tokony ho mailo, hoy ny solontenan’ny ankolafy Zafy Albert, satria be dia be ny fandrika natao. Rehefa tsy nahomby ny tetika rehetra teto an-drenivohitra, dia nafindra toerana ny krizy dia any Antsiranana. Atao izay hampandamoka ny fihaonana any Pretoria, hoy i Camille Mektoub, hirosoana amin’ny ‘plan B’ dia ny governemanta iraisan’ny miaramila sy ny sivily sy ny fametrahana fepetra ho an’ny tany misy hamehana sy hotakotaka amintsika. Vao mainka anefa hampidi-kizo ny firenentsika izany, hoy ity solontenan’ny firehana Zafy Albert ao amin’ny ankolafy Madagasikara ity. Ny zava-misy any Antsiranana, dia ny nahafatesan’ireo mpianatry ny oniversite, hoy ireo rehetra nandaha-teny dia karazana fampitandremana. Manoloana izany indrindra no iantsoan’ireo mpitarika ny vahoaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka, ny reny Malagasy hijoro ho fahazavana. Ny fampihavanam-pirenena no hany alaolana amin’izao krizy izao, hoy ireo nandaha-teny ary ny Malagasy samy Malagasy no tokony hiara-hamaha ny olana fa tsy tokony hisy hidiran’ny Frantsay ka hanolorany drafitra manokana. Izay firenena rehetra nidiran’ny frantsay, araka ny fanazavana, dia mikorontana avokoa. Manainga ny vahoaka àry ireo mpitarika mba samy hivonona hanohitra ny fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy. Ho an’ity anio ity moa dia etsy amin’ny kianjan’ny finoana Behoririka no hihaona ireo mpanara-dia ny ankolafy telo. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT