Politique

Ankolafy 3 - Antsiranana Mitaky ny fialan’i Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 08 Novambra 2010

Nisy ny fihaonana nataon’ny ankolafy telo tamin’ny vahoakan’Antsiranana ny sabotsy lasa teo ka tao amin’ny tokotany malalaky ny Tiko no nanaovana izany.

Ireo mpitolona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert no maro tonga tamin’izao hetsika santatra izao. Nandritra ireo lahateny maro samihafa no nilazan’ireo mpitarika fa tsy misy afa tsy ny fifampiresahan’ny ankolafy politika rehetra ihany sy ny fampiharana izay nifanekena sy nosoniavina tany Maputo no vahaolana tsara indrindra ivoahana amin’ny krizy. Nanamafy koa izy ireo fa tsy ekena ny hanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra satria tetiky ny FAT hampandaniana ny lalàmpanorenana novolavolainy fotsiny io ; lalàmpanorenana hampiady anefa fa tsy hampihavana sy hanatsara ny fiainan’ny malagasy izy io. Miantso ny olona tsy hifidy moa amin’io daty io ny ankolafy telo ao Antsiranana. Ankoatra izay dia nitaky tsotra izao ny fialan’i Andry Rajoelina ny solontenan’ny ankolafy Ravalomanana nandaha-teny tao Antsiranana, izay no tena vahaolana amin’izy ireo. Mbola hitohy moa ity hetsika ity ary hitovy amin’ny mitranga eny amin’ny Magro Behoririka mihitsy, araka ny vaovao voaray. 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT