Politique

Ankadikely Ilafy Tsy misy TIM manao Dinika Santatra izany !


  • Zoma 30 Jolay 2010


Hentitra ny filohan’ny filankevitra kaominaly ao Ankadikely Ilafy, Ramala Théodore, nilaza tamin’ny mpampahalala vaovao omaly fa “tsy misy Tiako I Madagasikara (TIM) manao Dinika Santatra izany avy ao amin’ity kaominina ity”. Famitaham-bahoaka sy fampisavorovoroana avokoa ny ankoatra izay, araka ny nambarany ihany. Nanaitra ny mpikambana TIM ao Ankadikely sy ny TIM amin’ny ankapobeny ny nahita fanadihadiana nataon’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra tao amin’ny biraon’ny Ben’ny tanàna, Dr Tovo Ratsimba, nalefa ny harivan’ny alarobia 28 jolay 2010, fa dia handray anjara amin’ity Dinika Santatra, karakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny “Coalition des organisation de la société civile”. Nisy tokoa ny fizarana fanasana, ary misy sonia fanamarinana izay nandray, hoy Ramala Théodore. Nambarany anefa fa “mari-panajana no nandraisana ny fanasana, fa efa fantatry ny mpikarakara ary nohamafisinay tamin’izy ireo fa tsy handray anjara amin’izany ny TIM”. Gaga anefa ny tenany fa ny taratasy voasonia nandraisana ny fanasana indray no nohararaotina nilazana fa mandray anjara ny TIM. Aminy dia fisandohana izany. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT