Politique

Andry TGV – Ankolafy Telo Resaky ny moana sy ny marenina


  • Zoma 10 Septambra 2010

Nihaona mangingina teny Ivandry, tao amin’ny tranon’ny Solontenan’ny Papa Ray Masina katolika, i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita andaniny ary ny Ankolafy Telo ankilany.

Ho an’ity farany dia tonga tamin’io fotoana io ny filoham-pirenena teo aloha Pr Zafy Albert sady filohan’ny Akolafy Zafy rahateo, ny Pr Ange Andrianarisoa (Ankolafy Ratsiraka) ary Fetison Rakoto Andrianirina (Ravalomanana). Pastera Ramino Paul, filohan’ny Raiamandreny Mijoro no nampifanatona azy ireo. Nisy nanely resaka mantsy tany ho any fa miziriziry tsy mety hifampiresaka ny Ankolafy Telo. Nilaza tamin’ny Pastera Ramino Paul anefa ireto farany raha nihaona izy ireo fa misokatra lalandava amin’ny fifampidinihana hikatsahana vahaolana amin’ny krizy ny Ankolafy Telo. Nanao izay hisian’ny fampifanatonana ny roa tonta ny Raiamandreny Mijoro tamin’ny alalan-dRamino Paul. Dia teraka io fampihaonana mivantana teny Ivandry tamin’ny alarobia io, alarobia tsy miverina, hoy ny Malagasy mpandala ny nentin-drazana. Araka ny fantatra anefa dia nampindrana trano ihany ny Solontenan’ny Papa Ray Masina fa tsy nisy nidirany loatra ny dinika tao. Rehefa nandroso ny fifampidinihana, izay naharitra adim-pamantaranandro iray mahery dia resaky ny moana sy ny marenina no mahadika azy. Miziriziry ny tsy maintsy hanaovana ny fihaonambem-pirenena amin’ny alatsinainy ny FAT sy ny Raiamandreny Mijoro irany.

Ny Ankolafy Telo anefa mihevitra fa tsy feno ny fepetra hahafahana manatanteraka izany, dia ny tokony hisian’ny fitoniana politika aloha mialoha ny hirosoana amin’ny dinika, ny amin’ireo gadra politika, ny hampitsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana samihafa atao ny mpanao politika, indrindra ny tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra ary koa ny resaka fitsarana. Mazava fa dia nirava maina ny fihaonana. Na izany aza dia nanamafy ny pastera Ramino Paul fa naneho ny fahavononany hikatsaka lalana hanohizana fifampidinihana ny Ankolafy Telo. Fanambarana izay nohamafisin’i Fetison Rakoto Andrianirina, fa “tsy tapaka ny fifampidinihana” na izany aza tsy nanome fanazavana firy manodidina io fihaonana io ny tenany. Inoana fa ho fantatra bebe kokoa mandritra ny valandresaka hifanaovan’ny Ankolafy Telo amin’ny mpanao gazety ao amin’ny Carlton anio ny antsipirihany mikasika io fihaonana io. Na izany na tsy izany dia ny fisian’ity fihaonana mangingina tao Ivandry ity no porofo fa tsy mahasolotena ny Ankolafy Ravalomanana amin’ny fikatsaham-bahaolana amin’ny krizy ry Raharinaivo Andrianatoandro.

Miharihary tamin’ity fihaonana ity koa fa tapi-dalan-kaleha ny FAT, izay midradradradra fa tsy mila tetezamita iaraha-mitantana, nefa izao tsy mety tafavoaka izao raha tsy eo ny Ankolafy Telo. May volon-tratra ihany koa ny Raiamandreny Mijoro sao hihanjahanja eo amin’ny alatsinainy, amin’izato fihaonambem-pirenena hokarakaraina, nefa ny rehetra mifandimby milaza tsy handray anjara, lehibe amin’ireny ny Ankolafy Telo. Ny marina dia tsy maharesy lahatra ny maro ny Raiamandreny Mijoro noho izy ireo hita miharihary fa miandany. Saika olon’ny FAT rahateo ny mpikambana ao. Mbola lavitra ny ezaka, araka izany.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT