Politique

Andry Rajoelina Voasazin’ny iraisam-pirenena


  • Zoma 04 Janoary 2013

Notsiahivin’ny tetsy amin’ny Magro Behoririka nandritra ny hetsiky ny Zanak’i Dada omaly fa i Andry Rajoelina no olom-pirenena Malagasy voalohany voasazin’ny iraisam-pirenena.

 Mbola manan-kery ny sazin’izy 109 araka ny lisitra navoakan’ny CSP na ny Filankevi-pilaminana sy fiarovana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, nivoaka tamin’ny martsa 2010. Mbola izy Rajoelina koa no nahavita nampijaly vahoaka Malagasy indrindra. Gejainy tsy hivoaka ao anaty tetezamita nandritra ny efa-taona izao ny Malagasy, izay mahantra andro aman’alina nefa ny harem-pirenena miha ringana. Ahiana mbola handeha irery indray io tetezamitatra io, hoy ny CT Ravelonanosy Mamitiana, nefa efa tsy tafavoaka hatramin’izay aza. Antso moa no nataon’ny Zanak’i Dada mba hipetraka amin’ny maha raiamandreny azy ny FFKM, izay ny EKAR no hitarika azy amin’ity 2013 ity, mba hitondra ny fampihavanana tahaka an’i Kristy.

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT