Nasehon’i Andry Rajoelina indray omaly fa na iza na iza hivory, na zovy na zovy hiteny, dia izay tiany ihany no tanterahina eto.
Diso malala izany loatra ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’olom-pirenena ka dia haingam-piasa tsy nisy toy izany tamin’ity indray mitoraka ity, satria amin’izy ireo na hanao fandravonana faran’izay raitra sy milamina ireo fehin-kevitry ny mpizaika tamin’ny fihaonambem-pirenena natao teny Ivato nandritra ny henemana, ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra aza izy ireo, dia izay tian’i Andry Rajoelina ihany io, koa dia naleony natolotra haingana omaly izay voaangona. Ny Dinika Santatra anefa, izay izy ireo ihany no nikarakara azy, dia efa ho iray volana ngarangidina taty aorian’ny nahavitany vao napoitra tsimoramora ilay fandravonan-kevitra, amin’izay tsy nifanaraka tamin’izay hevitry ny mpizaika teny ifotony akory. Omaly àry dia novaina tampotampoka teo ny andinindininy tao amin’ny lalàm-pifidianana ka namoahana didy hitsivolana vaovao, 2010-007 ny 20 septambra 2010. Vao ny volana martsa 2010 anefa no namoahan’ny FAT io lalàm-pifidianana novaina io, araka ny didy hitsivolana 2010-003 ny 23 martsa 2010. Izany hoe, sady tsy nisy enim-bolana niainana akory ilay izy no tsy mbola nampiasaina dia novaina.
Omaly 20 septambra 2010 ihany dia namoaka didy hitsivolana laharana 2010-008 mikasika ny fifidianana kaominaly koa ny FAT. Izany dia narahina didim-panjakana manaika mpifidy fa hatao amin’ny alatsinainy 20 desambra 2010 ny fifidianana mpanolontsaina sy Ben’ny tanàna amin’ireo Kaominina manerana ny Nosy. Mba tsy hahakivy ireo mpizaika teny Ivato dia nampiana fa mametra-pialana izay Ben’ny tanàna hilatsaka hofidiana, dia hosolina PDS. Ary ireo PDS amperin’asa te ho Ben’ny tanàna moa izany mba ahoana ? Miisa valo izy ireo ankehitriny, Nosy Be, Tolagnaro, Sainte Marie, Fianarantsoa, Manakara, Vohipeno, Toamasina ary Antananarivo. Asa na hiandry io fifidianana amin’ny 20 desambra io hanendrena PDS ny ao Morondava, izay nametra-pialana ny Ben’ny tanàna, Moramanga izay any am-ponja ny Ben’ny tanàna… Fa ny mahazendana dia ity, voalohany tsy mahalala izay andinin-dalàna novaina tao amin’ilay lalam-pifidianana akory ny CENI izay vaomiera mahaleotena natao hikarakara izany, raha nanontaniana ny filohany, Me Rakotomanana Hery, omaly hariva. Faharoa, namaritra daty tsy ankiera ny governemanta ; tsy nanontany ny hevitry ny CENI akory raha azo tanterahina na tsia io 20 desambra io, fa dia notapahina irery tao. Fahatelo, ny lojikan’io fanovana io dia tsotra, azo tanterahina mandritra ny fotoam-pahavaratra indray izany ny fifidianana. Na ny fifidianana depiote aza moa nalatsaka anaty vanimpotoanan’ny rivodoza (16 martsa 2011). Io anefa no isan’ny nanankianana ny fifidianana rehetra nitranga teto, ka nikomiana izay nitarika hatrany amin’ny fanonganam-panjakana fa hoe : fototry ny hala-bato ny fanaovana fifidianana amin’ny andro fahavaratra.
Izay rahateo no voarakitr’ilay lalam-pifidianana nivoaka tamin’ny volana martsa 2010, araka ny fanirian’ny antoko politika maro, fa amin’ny main-tany, eo anelanelan’ny 15 aprily ka hatramin’ny 15 novambra ihany no anatanterahana fifidianana. Dia mbola nampian’ny teny Ivato fa tsy tokony ho zoma (silamo) na sabotsy (advantista) ary alahady (kristianina) ny androm-pifidianana. Ka eto dia mbola mipetraka ihany ny fanontaniana, hoe : fanovana inona marina moa izany ity hoe entin’i Andry Rajoelina sy ny FAT eto ity, ka nanonganana manta tsotra izao ny fanjakana ara-dalàna ary koa nanankianan’izy ireo mafy ny mpitondra nifandimby teto, raha tsy hoe angaha hanao fitondran’Andriamanjaka ? Ny lalampanorenana rahateo koa moa ity mbola tsy hay koa izay havoakany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.