Politique

Andry Rajoelina Tsy re feo intsony fa niafina


  • Alarobia 07 Aprily 2010

Nijanona ho tantara sisa ary tsy nitohy intsony ilay fandaharana amin’ny haino aman-jery fanaon’i Andry Rajoelina isam-bolana.

Tamin’ny herintaona anefa dia nampanantena izy fa hatao isam-bolana ity tenin’ny filoham-pirenena nohavaozin’ny Fahefana Avon’ny Tetezammita ity. Ny volana desambra 2009 no nisian’ny fandaharana farany, ary tsy nisy aloha, hatramin’izao ny filazana ny daty manaraka mety hisiany indray. Ny mpitondra teny sisa no mampita ny vaovao eo anivon’ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezammita fa tsy mipoipoitra intsony i Andry Rajoelina. Mipetraka ny fanontaniana hoe nisafidy ny tsy haneho hevitra sy tsy hiteny ve izy, sa nampanginina mihitsy noho ny fahasarotan’ny fitantanana ny raharaham-pirenena sy ny famahana ny krizy ? Nilokaloka anefa izao fitondrana tetezamita izao tamin’ny fotoana nandraisany ny fahefana fa hatao mangarahara ny fitantanana ny firenena ary hampahafantarina ny olom-pirenena ny vaovao rehetra manodidina izany. Tsikaritra ankehitriny fa ao anatin’ny manjavozavo be ihany ny zava-misy eto. Tsy mahagaga raha mipoitra etsy sy eroa ny honohono sy ny resabe ; tsy misy ny fanazavana ofisialy avy amin’ny manampahefana manoloana ireo tranga maro samihafa miseho etsy sy eroa. Ny nahagaga ny maro koa dia tsy mba nisy akory ny hafatra na firariantsoa avy amin’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezammita tamin’ny paska teo. Hoy indrindra ny olona iray tafaresaka taminay hoe : «efa fomba fanao anie ny firariantsoa ny vahoaka avy amin’ny filoha e ! Sa efa resy lahatra i Andry Rajoelina fa tsy filoha marina izy ! Tsy voatery atao kabary be anie ilay izy, fa ohatra hoe resaka kely amin’ny mpanao gazety teo am-pivoahana ny fiangonana e ! Raha ny fahafantarako azy mantsy dia mpino katolika ny filohan’ny HAT, ary namerimberina fa tena mivavaka sy mananki-po amin’Andriamanitra raha tsy hoe efa tena sahiran-tsaina amin’ny fitantanana ny firenena marina angamba izy, ka tsy manam-potoana handehanana any am-piangonana intsony …». Samy nanamarika ity fahanginan’ny filohan’ny tetezamita tampoka ity ny rehetra ary mieritreritra fa misy ifandraisany be dia be amin’ny resaka fanonganam-panjakana re tetsy sy teroa izy ity. Misy ny mieritreritra fa mety miafina angamba i Andry Rajoelina satria matahotra mafy ny hisamborana azy ! Eritreritra sy vinavina ihany anefa izany, fa mety ho avy miandalana eo ihany ny fanazavana ofisialy.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT