Politique

Andry Rajoelina «Tsy mpanao politika i Camille Vital … »


  • Zoma 30 Aprily 2010


« Tsy mpanao politika fa miaramila ny praiminisitra Camille Vital ». Izay no nambaran’i Andry Rajoelina raha nitafa tamin’ny mpanao gazetin’ny RFI izy, tany Pretoria. Tahaka ny eto an-toerana mantsy dia mahoraka any ivelany koa fa henjakenjana fomba fitantanana ihany ity praiminisitra notendren’ny filohan’ny HAT farany ity, ary tsy mitsitsy fitenenana na iza na iza miresaka aminy. Nilaza mazava izany i Andry Rajoelina fa tsy mpanao politika i Camille Vital fa miaramila, izany hoe raha adika tsotsotra dia tsy mivilivily fa rehefa manana tanjona iray dia izay ihany no fantany. Tsy anisan’ireo manam-paharetana ihany koa fa maika ny hiasa sy hanatratra tanjona izy, ary tsy mba mihatsaravelatsihy tahaka ny mpanao politika.

Toa fanomanana ny sain’ny olona amin’ny fananganana governemanta itambaran’ny miaramila sy ny sivily izany rehetra izany. Fa na izany aza anefa, nanaitra ny maro ihany izany, satria olana politika no nahatonga ny krizy teto, ka noho izany rariny loatra raha ny mpanao politika no mamaha io olana io. Mety hampitarazoka ny raharaha ny fametrahana miaramila amin’ny toerana ambony sy saro-pady tahaka ny hoe eny amin’ny primatiora izany. Marihana fa anisan’ireo manamboninahitra nosalorana ny gradina jeneraly farany teo moa ny praiminisitra Camille Vital, fisondrotana grady izay niteraka resabe teny anivon’ny lakazerina sy tany amin’ny sehatra maro.
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT