Politique

Andry Rajoelina Tsy ho kandida indray ?


  • Talata 07 Martsa 2017

Tsy arakaraka ny teny nataon’i Andry Rajoelina ny 12 febroary lasa teo ny fihetsiny amin’izao fotoana izao.

Raha nilaza ny tenany tamin’izay fotoana izay fa tsy misy mahasakana azy tsy hirotsaka, dia nangina sy tampina tanteraka ny vavany ankehitriny. Tsy hay na noho ny resaka efa niely tamin’ny haino aman-jery vitsivitsy taorian’iny fa hoe misy ny mikasa hamono azy, ka naleony nangina sy tsy niteny intsony. Efa nisy feo nivoaka mihitsy aza fa mety tsy hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena amin'ny 2018 ny lehiben'ny vondrona Mapar.

         Tsy fantatra mazava na mbola eto an-tanindrazana i Andry Rajoelina na efa lasa nandositra any ivelany mihitsy noho iny resaka iny. Raha tsiahivina dia 2 andro taorian’iny fanambarany iny, izany hoe ny 14 febroary no nivoahan’ny didim-pitsarana manameloka ny kolonely Lylison tanan-kavanany, higadra herintaona an-tranomaizina. Taty aoriana ihany koa dia naongan’ny mpanolotsainy i  Andriantomanga Mokhtar Salim ben’ny tanànan’i Mahajanga, izay lany tamin’ny alalan’ny vondrona MAPAR. Vao andro vitsy ihany koa izay no nisian’ny raharaha Elysé Ratsiraka, ben'ny tanànan'i Toamasina izay nambara ho nanao didin’ny be sandry ka nosamborina, ary tsy fantatra izay niafaran’ny raharaha amin’izao fotoana izao. Tapi-dalan-kaleha tanteraka ny fahitana an’i Andry Rajoelina satria izay hatao maneno sahona avokoa. Ny namana izay ianteherana raha tsy voavidim-bola sy mamadika, dia ataon’ny HVM fahirano, ka izy tenany aza tsy sahy nipoitra sy tsy sahy niresaka intsony, ka toy ny efa nilavo lefona satria tsy hita izay hiantsampazana. Milaza sy manambara ombieny ombieny ny haha kandida azy i Marc Ravalomanana ankehitriny, ary mamerimberina fa tsy misy mahasakana azy izany, mijoro izy ary sahy miteny. Tsy mba toy izany kosa ny an’i Andry Rajoelina fa tsikaritra ho nisintaka tanteraka amin’ny politika mihitsy ary tsy miteny tsy mivolana manoloana ny fahasahiranan'ny firenena sy ny adalana ataon'ny mpitondra.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT