Politique

Andry Rajoelina Tsy ho any Addis Abeba ?


  • Zoma 05 Martsa 2010

Tapitra omaly ny niandrasana ny valintenin’ny ankolafy efatra amin’ny handraisany anjara na tsia amin’ny dinika hatao any Addis Abeba ny 8 ka hatramin’ny 10 martsa ho avy

Mandrara mafy an’i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) mba tsy hanatrika ny fihaonan’ny ankolafy efatra any Addis Abeba renivohitra Etiopianina amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy izao, ireo vondrona mpanao politika mpikarama an’ady manodidina azy. Amin’izy ireo mantsy dia tsy ilaina intsony izany resaka Maputo sy Addis Abeba na ny fanelanelanan’ny GIC izany. Tsy olana, hoy izy ireo raha voasazy sy tratry ny an-kivy ara-toekarena isika ; milaza ny efa mahita lalam-bola hafa izy ireo, ary raha sanatria tsy mahomby izany, dia ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika no atakalo ny entana tsy maintsy hafarana avy any ivelany, avy any amin’ireo firenena manaiky ny hanao varo-maizina amin’i Madagasikara. 

Araka ny vaovao farany dia mety ho resy lahatra amin’ny hevitr’ireto dinôzôro manodidina azy ireto ihany ny filohan’ny FAT ka tsy hanatrika ny fivoriana any Addis Abeba ny 8 ka hatramin’ny 10 martsa ho avy izao. Na handeha anefa izy na tsia, dia tsy maintsy hisy ny fehin-kevitra avoakan’ny vaomiera misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, miaraka amin’ny vondron’ny mpanelanelana iraisam-pirenena, amin’ny famahana ny krizy malagasy. Na izany aza anefa dia efa iaraha-mahalala izay ihany ny fiovaovan-kevitra tampok’i Andry Rajoelina, ka maro ihany no mbola manantena fa tsy hanava-tena ary tsy hanao ho takalonaina ny Malagasy ny filohan’ny FAT ka hahay hanetry tena, ka hihazo an’i Addis Abeba amin’ny faran’ny herinandro.
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT