Politique

Andry Rajoelina Tsy hilatsaka ?


  • Alakamisy 20 Desambra 2012

Mandeha ny tombatombana isan-karazany ny amin’izay mety ho fanambarana hataon’i Andry Rajoelina amin’ity anio ity, hiverenany avy any Frantsa na aoriana kely ao.

 Mbola andrasan’ny rehetra tokoa mantsy ny tena heviny marina momba ny fifidianana filoham-pirenena voatondro fa ho tanterahana ny 8 mey 2013 ny fihodinana voalohany. Efa ho telo andro izay mantsy dia mandeha be ny feo fa tsy ho kandida, hono, i Andry Nirina Rajoelina satria tsy nahazo tso-drano tamin’i Lafrantsa Renimalala na dia efa niangavy mafy tany aza. Ny antony dia satria tsy dia matoky azy intsony ny Frantsay noho ny nilalaovany baolina ela loatra tamin’ny fitantanana ny tetezamita sy ny tsy nahavitany fifidianana haingana ary ny mbola hisian’ny savorovoro politika ihany.

Ankoatr’izay dia io iaraha-mahita io fa manomboka misitaka tsikelikely amin’i Andry Rajoelina ireo mpanohana azy fahiny, ary tena misy lasa manohitra azy tanteraka mihitsy aza. Manomboka mivoaka ny tsiambaratelo isan-karazany, mitsikafona tsikelikely ny zavatra tsy nety natao teto tamin’ny 2008 – 2009. Koa amin’ny maha fetsy sy maranitra ny Frantsay dia naleony miova famindra haingana dieny tsy mbola lasa lavitra ny raharaha. Dia ho lazaina rehefa avy eo fa mbola tanora i Andry Rajoelina ka mety afaka ny handray anjara amin’ny fifidianana ihany, amin’ny fotoana manaraka. Misy koa ny mahita fa raha hisisika hilatsaka ho fidiana i Andry Rajoelina dia mety hanara-dia ny filohan’i Cote d’Ivoare teo aloha, Laurent Gbagbo na ny filoha libiana Mouammar Kadhafi no hiafarany ka ny fianakaviambe iraisam-pirenena mihitsy no hisoroka azy eo amin’ny fitondrana. Misy maminavina koa anefa, fa raha kandida i Zandry Kely, ka tsy lany eo, dia ho avy masiaka aminy ny fitsarana, hivoaka daholo ny dosie maizina rehetra ary dia hisokatra midanadana ho azy ny varavaran’i Tsiafahy. Tena saro-toerana i Andry Rajoelina ka arakaraky ny fahendreny manapa-kevitra ny hampihena ny fahoriana mety hianjady aminy. Efa manomboka mody fanina aminy ny Frantsay, nanohana azy hatramin’izay, ka rehefa natao ny kajy dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny manara-dia an’i Marc Ravalomanana i Andry Rajoelina ka manambara amin’ny fomba ofisialy fa tsy ho kandida. Izy rahateo efa nanambara tamin’ny 12 mey 2010, raha nanontanian’ny mpanao gazetin’ny RFI (Radio France Internationale), fa «tsy ho kandida» amin’ny fifidianana filoham-pirenena, koa raha tenin-dehilahy araka ny voalazany tamin’izany io teniny io dia tsy milatsaka ny tenany. Fandrebirebena saim-bahoaka, sy fandanian’andro ary sinema ny ankoatra izay.

Tsy nipoitra tampotampoka ho azy koa ilay resaka «ni…ni» fa zavatra efa nokonokononina tany ambadika tany, matoa nosoratan’ny SADC tao amin’ny fehin-keviny nandritra ny fivoriana tany Dar ses Salam farany teo. Tsy tokony ho adinoina ihany koa fa efa nandalo tany Dar es Salam ny minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay, efa nandalo tany Paris ihany koa ny filoha Tanzaniana sady filohan’ny Troika ankehitriny, voaresaka tamin’izany ny raharaha Madagasikara. Ka tsy tokony hahagaga raha toa ka mitovy hevitra ny amin’ny zavatra tokony hatao eto, ankehitriny i Lafrantsa sy ny SADC, dia ny fampiharana ilay «ni…ni» izany.

I Lafrantsa rahateo koa dia nilaza ombieny ombieny, fa izay tapaky ny SADC ihany no tohanany. I Andry Rajoelina, raha avy nihaona tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay, Laurent Fabius, ny talata teo ka nanontanian’ny mpanao gazety ny vokatry ny fihaonan’ny roa tonta dia nilaza fa aleo ny vahoaka Malagasy no hanambarany sy hahalala mialoha izany. Dia mbola ampitaintaininy indray izany ireo mpomba azy, ka dia hiaraha-mahita eo. Tsy dia fombany loatra mantsy raha misy zavatra metimety aminy, ny hikobona izany maharitra any, fa efa natao nipoapoaka ny fampitam-baovao, na koa anomanana fitsenana makotroka eny Ivato, toy ny natao rehefa nomen-dalana hiteny teo amin’ny pilopitran’ny Firenena Mikambana i Andry Rajoelina tamin’ny septambra 2010.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT