Araka ny tsiliantsofina re dia tsy nahomby aloha hatreto ny fihetsiketsehana nataon’i Andry Rajoelina tany ivelany mba hahazoany mpanohana.
Mazava ny hevitry ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena fa dia tsy mety raha kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo izy. Raha araka ny resaka mandeha dia mbola namerina nanambara tamin’ny filohan’ny tetezamita indray ny filohan’i Tanzania sady filoha am-perinasan’ny Troika-SADC fa tsy maintsy ampiharina ilay «ni…ni». Efa nanaja tena ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ka ny fanambarana ofisialy hataon-dRajoelina sisa no andrasana.
Raha ny vinavinan’ny mpanara-baovao dia tokony ho fantatra amin’ity herinandro ity izay tena hevitry ny filohan’ny tetezamita. Sahiran-tsaina anefa ity farany satria raha handroso maty raibe, hihemotra maty renibe. Mihena be ny lanja politikan’i Andry Rajoelina raha milaza izy fa tsy ho kandida ary tsy azo antoka koa fa mety afaka mbola hirotsaka hofidiana izy, indray andro any satria efa misimisy ihany ireo te hanapotika azy eo amin’ny sehatra politika. Mety efa fantany tsara izany, fantany tsara fa raha tsy kandida izy dia tsy maintsy olon-kafa no ho voafidy ho filoha eo, dia mety hiova ny fandehan’ny tantara ary mety hivoaka amin’izay ny dosie any amin’ny fitsarana any, dia izay no vita.
Raha mikiry ho kandida indray anefa izy, satria tsy te handiso fanantenana ireo mpanohana azy, dia mampiditra an’i Madagasikara ao anatin’ny lavaky ny fahasahiranana, mbola hanamafy ny krizy sy ny fahantrana indray satria tena hanome lamosina antsika ny sehatra iraisam-pirenena, ary tsy hisy fanampiana ho azo izany. Ary tsy hisy hanaiky izay ho voka-pifidianana eo, dia mitohy ny krizy ary mety hivadika gidragidra tahaka ny any Afrika amin’izay. Dia mety hihatra amin’i Andry Rajoelina ny nahazo ny filoha Laurent Gbagbo tany Cote d’Ivoire, sy ny kapiteny Moussa Dadis Camara tany Ginea, ka na izy hogadrain’ny sehatra iraisam-pirenena, na hisy hitifitra tampoka dia avy eo alefa mitsabo tena any ivelany mandritra ny fotoana maharitra. Ny mpandinika sy mpamakafaka dia misy mahita fa efa mitovitovy tamin’ny zava-misy tamin’ny 2008-2009 no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana, koa ahiana ny hisian’ny korontana raha mbola manao be mokondoha ny filohan’ny tetezamita, fa tsy mahay manetry tena sy mandefitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.