Politique

Andry Rajoelina Tsy afaka hanatrika ny fivorian’ny Frantsa-Afrika !


  • Zoma 28 Mey 2010

Mazava ny resaka ankehitriny fa tsy afaka hanatrika ny fihaonamben’ny Frantsa Afrika any Nice ny 31 mey ho avy izao i Andry Rajoelina, noho ny fitsivalanan’ny SADC sy ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma.

Na izany aza anefa dia nanamafy ny fitondrana Frantsay tamin’ny alalan’i Alain Joyandet fa tsy maintsy hanana solontena amin’io fihaonana faha-25 io i Madagasikara. Ka raha ny vinavinan’ny mpanara-baovao dia olona tsy tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo 109, nahazo sazy avy amin’ny vondrona Afrikanina, izany no mety hisolo tena antsika any Nice amin’ny faran’ny volana. Nanao izay tratry ny heriny ihany mba hanasana ny filohan’ny HAT ny Frantsay, saingy tsy tafavoaka satria tsy te hifandrirotra na sanatria hiady amin’ireo firenena Afrikanina ao anatin’ny SADC, izay manana toekarena matanjaka ny ankamaroany. Nisafidy ny tsy hanasa an’i Andry Rajoelina izy ireo. Misy amin’ireo mpitondra fanjakana eto amintsika no tezitra amin’ity fanapahan-kevitra ity, araka ny tsiliantsofina re, satria hita ho mitanila ihany amin’ny fanapahan-keviny, araka ny fahitan’izy ireo azy, ny fanjakana Frantsay. Nahazo taratasy fanasana tamin’ny fomba ofisialy mantsy ilay jeneraly nitarika ny fanonganam-panjakana tany Niger fa mahafa-po ny fitantanany ny tetezamita ary mazava ny tetiandro napetrany amin’ny fanatanterahana ny fifidianana tsy maintsy atao any. Raha adika tsotsotra ny resaka, tsy manaiky tanteraka ny tetezamita tantanan’i Andry Rajoelina ny Frantsay  ary miandry ny fananganana ny tetezamita iaraha-mitantana amin’ny ankolafy hafa.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT