Politique

Andry Rajoelina Tsy afa-bela amin’ny fitsarana


  • Alarobia 23 Janoary 2013

Tsy sahy niresaka na dia fehezanteny iray monja momba ilay famotsoran-keloka ambaran’ny SADC fa tokony homena azy i Andry Rajoelina, izay be resaka isaky ny mihaona amin’ny vahoaka.

 Raha ny fahitana azy dia odian’ny fanina mihitsy ilay izy, dia iny nanamafy iny i Me Hanitra Razafimanantsoa fa i Andry Rajoelina izy tenany mihitsy no nangataka tamin’ny SADC mba homena famotsoran-keloka. Ho fiarovana ny tenany sy ny hoavy politikany, hono no antony. Hatramin’ny 2008-2009 tokoa dia efa nisy ihany no nilaza fa loharano nipoiran’ny savorovoro sy fanapotehana ary faty olona teto i Andry Rajoelina, saingy tsy tena mbola nahataitra ny maro moa izany, tamin’izany fotoana. Saingy tsy tokony ho adinoina mihitsy fa ny fanentanan’i Andry Rajoelina ny olona teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey mba hanatitra ny praiminisitry ny lalana Monja Roindefo ao amin’ny lapan’Ambohitsorohitra no fototra niaingan’ny faty olona tamin’ny sabotsy 7 febroary 2009. Raha tsy nanentana ny olona hiaka-dapa i Andry Rajoelina sy i Monja Roindefo dia tsy nisy fitifirana izany teny Antaninarenina sy Ambohitsorohitra. Tahaka izany koa roa herinandro mialohan’io, ny Alatsinainy 26 janoary 2009.

Niaraka tamin’ireo mpomba azy nankeny Anosy manoloana ny ministeran’ny fitsarana sy ny foiben’ny RNM sy TVM i Andry Rajoelina ary mbola nanatitra ny mpomba azy izay efa romodromotra sy mena maso teny Ampasika. Inona no dikan’izany, inona no anton’izany ary inona no tena tanjona ? May sy voaroba avy eo ny RNM sy TVM teo Anosy sy ny MBS teny Anosipatrana. Nitohy tamin’ny fandrombana tamin’ny toerana maro samihafa, fa ny tena lasibatra dia Ankorondrano, Behoririka, Soanierana, Tanjombato ary Andohatapenaka. Na nisy na tsy nisy ny mpanararaotra dia tsy afa-bela tamin’ireny tranga ireny i Andry Rajoelina satria izy no tompon’andraikitra voalohany nitarika ny olona hidina an-dalambe sy handeha hamakivaky an’Antananarivo ary nanakaiky ireo toerana saropady sy misy haino aman-jery ireo.

Ny olon-tsotra no mety ho voarebirebin’i Andry Rajoelina sy ireo mpanolontsainy, amin’ny serasera matanjaka sy ny kabary tsara rafitra, saingy tena sarotra dia sarotra ho azy ny hanadio tena raha miatrika fitsarana noho ireny raharaha ireny izy. Na hilaza fa sady tsy naniraka no tsy nibaiko aza izy dia azon’ny fitsarana tazonina ho tahaka ny mpiray tsikombakomba na nitazam-potsiny ny fanapotehana sy ny famonoan’olona, fa tsy mba nandray andraikitra haingana nifehy ny olona notarihany na nanakana ny mety ho fifandonana na fanimbana na fanapotehana.

Naleony niverin-dalana dia nipetrapetraka naka aina tany an-tranony. Hatramin’izay ka hatramin’izao dia tsikaritra koa fa manan-talenta amin’ny fanaovana kabary fihantsiana i Andry Rajoelina, tahaka ny nataony ny faran’ny herinandro teo tany Toamasina raha nanakiana ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany eto amintsika izy. Tsaroana kao ny vavabe nataony momba ny SADC tamin’ny 2009 raha nanatitra sy nametraka an’i Pety Rakotoniaina ho PDS tao Fianarantsoa sy ny teny mahery navantany tamin’ireo firenena vahiny teny Iavoloha ny 9 janoary lasa teo. Dia mbola misy sahy hilaza ihany ve ary fa madio sy masina toa anjely i Andry Rajoelina, kanefa izy tenany aza efa mangataka homena famotsoran-keloka ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT