Politique

Andry Rajoelina Tsara fanahy amin’ny miaramila


  • Alatsinainy 28 Jona 2010

Mitohy hatrany ny fanomezan’i Andry Rajoelina tombontsoa manokana ny foloalindahy, izay nisy ampahany nanampy azy tamin’ny fandrombaham-pahefana nataony tamin’ny herintaona.

Nomena fanalefahan-tsazy 15 andro ireo miaramila, zandary sy polisy nandalo ka voasazy teo anivon’ny fitsarana miaramila, nampitomboana taona iray ny fandehanana misotro ronono ho an’ny miaramila, zandary ary polisy, nisy ny fitaovana vaovao nomena ny foloalindahy vokatry ny fiaraha-miasa tamin’i Chine sy i Frantsa. Efa anisan’ireo nahazo fisondrotan-karama, sy fankasitrahana na «prime» koa anefa ny foloalindahy, ary tsy mba tahaka ny an’ny mpiasam-panjakana tara lava ny andoavana ny karaman’izy ireo fa tonga ara-potoana hatrany isam-bolana. Manodidina izay resaka izay ihany dia hoy indrindra ny raim-pianakaviana iray tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana hoe : «hitako ho tena mifankatia mihitsy i Andry Rajoelina sy ny miaramila, ary iaraha-mahita izao fa mahazo vahana mihitsy ry zalahy ireo tamin’ity fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ity. Mitombo hatrany ny vola raisina. Ny mampalahelo anefa dia lasa herim-pamoretana ny foloalindahy ka tena tsy miaro ny vahoaka fa mampihorohoro azy. Saingy tsy afa-miala amin’ireo Rajoelina satria efa niara-niasa taminy sy nifanome toky taminy, tamin’ireny zavatra nataony teto ireny. Iza no tsy mahalala fa matevintevina ihany ny vola zarazaraina any an-dakazerina any mba hanambatambazana ny miaramila. Izaho aloha dia manahy fa ho ratsy ny fiafaran’io resaka io satria sady mamaha olana anie no mitera-doza ny vola e !».

Fa mikasika indray ilay fampitomboana ny taona handehanana misotro ronono, dia mby tonga ao an-tsain’ny mpanara-baovao avy hatrany fa mety ho fitsinjovana manokana ireo manamboninahitra miara-dia amin’i Andry Rajoelina, efa somary voky taona, ary tokony handeha hisotro ronono izany. Amin’izay mantsy dia mbola afaka miasa tsara sy miedinedina amin’ny fitafiana maha miaramila azy izy ireo, no sady tsy mihena ny vola raisiny isam-bolana ; ary mety mbola hisy aza ny fanondrotana grady ireo manamboninahitra sasany atsy ho atsy, indrindra fa ireo kolonely sy jeneraly. Efa hatry ny ela mantsy no nibaribary fa fanapahan-kevitra politika avy amin’ny filoham-pirenena ny fanomezana galona ireo manamboninahitra izay sady manda miaro ny fitondrany, no anankinany ihany koa ny fandaminana sy ny fitantanana ny foloalindahy sy ny filaminana amin’ny ankapobeny eto amin’ny firenena. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT