Politique

Andry Rajoelina Tompondakan’ny kiantranoantrano


  • Alatsinainy 21 Janoary 2013

Nanamarika izao fitondran’i Andry Rajoelina madiva hifarana izao ny resaka maizimaizina.

 Betsaka ireo tetikasa namboarin’ny FAT izay tsy mazava ny loharanom-bola na koa tsy nanaraka ny fepetra takian’ny lalàna. Na ny praiminisitra Beriziky aza dia vaky vava mihitsy noho ny tsy fisian’ny mangaraharaha tamin’ny fananganana ireo hopitaly manara-penitra. Andrasana ny fanazavana avy amin’ny FAT momba ny 25 tapitrisa dolara, vola vidin’ilay fiaramanidim-panjakana “Air Force One 2” ankoatra ilay 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Wisco sandan’ny fitrandrahana vy ao Soalala, ny marina momba ny fanamboarana totohabato Antaninarenina sy Ambondrona izay nolazain’i Andry Rajoelina fa volany no nampiasaina. Ilaina porofo anefa izany fa tsy atao resaka am-bava fotsiny.

Efa noresahana teto koa ny mikasika ilay tetikasa fanamboarana lalana vaovao mampitohy an’Ivato sy Antananarivo izay tsy hita taratra na aiza na aiza. Sady tsy voalaza ao amin’ny lalàna momba ny fandaniam-bolam-panjakana 2013 io tetikasa io no tsy voalaza amin’ny “avis général de passation des marchés publics” ihany koa. Fa talentan’ny FAT koa ankoatra ilay tsy fisian’ny mangarahara, sy ny resaka kiantranoantrano. Santionany 3 no holazaina eto dia ny fananganana ny hopitaly manaram-penitra ao Mahajanga izay ny orinasan-dRasoamaromaka mpandrindra ny TGV Analamanga no nahazo ny tsena. Orinasan’ny namana akaiky sady mpanolotsain’i Andry Rajoelina no nanamboatra ny kianjan’Antsonjombe niaraka tamin’ny Colas. Tamin’ny taona 2009 koa dia ny orinasan’ny vadina minisitra notendrena teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey no nanajary ny lapan’ny faritra DIANA.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT