Hanohy ny fitsiham-paritra indray ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, raha somary nisy fiatoana kely izany ny herinandro teo. Ny zavatra voamarika tamin’ny dia nataony tany amin’ny Faritra tato ho ato dia saika andro sabotsy no anatanterahany izany. Tao Mahajanga ny sabotsy 24 jolay.
Nitohy tany Maintirano ny sabotsy 07 aogositra. Nandeha tao Ambatondrazaka indray ny sabotsy 04 septambra ary tany Antsiranana ny sabotsy 11 septambra farany teo. Ary raha tsy misy ny fiovana dia hiazo an’i Morondava indray ity ny sabotsy 25 septambra ho avy izao, dia izay tokony no nataony ny sabotsy 18 septambra fa nahemotra fa hoe : niandry ny vokatry ny fihaonambem-pirenena, nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’olom-pirenena. Fifanandrifian-javatra ihany ve ireo dia tamin’ny andro sabotsy ireo sa antony hafa ? Isaky ny tanàna alehany dia mampanantena hanamboatra foto-drafitrasa ara-panatanjahatena toy ny kianja sentetika, lalana, ary koa hopitaly i Andry Rajoelina, izay mampametra-panontaniana ihany moa hoe avy aiza marina ny loharanom-bola ho enti-manana izany ? Efa nangataka tamin’ny fitondrana FAT mba hanao mangaraharaha momba izany ny CCOC ny volana aprily 2010, ka nametraka fanontaniana miisa sivy, fa tsy nahazoam-baliny sy fanazavana izany mandrak’ity ny anio. Tsy misy Parlemanta koa moa eo hitaky izany ka dia roahy fa hariva ihany ny an’ny mpitondra.
Mandritra ity dia hataony any Morondava manaraka eo ity dia fantatra, araka ny fikarakarana mandeha any an-toerana amin’izao fotoana, fa hametraka ny vatofotry ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy an’i Morondava sy Mahabo, mirefy 45km eo. Azo antoka fa ho avy koa ny fampanantenana ny hanamboarana ny kianja monisipaly, izay mampiantrano ny festival Kapinjy amin’io, ho kianja sentetika i Andry Rajoelina. Araka ny fantatra koa anefa dia hotokanana mandritra io diany io ny biraon’ny masoivohon’ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy ao Morondava.
Hotsirihina amin’io andro io koa ny toerana hanorenana hopitaly, izay amin’ireo sivy nanaovana tolobaro-panjakana naseho an-gazety herinandro lasa izay. Ankoatra ireo renivohi-paritany mizakatena enina mantsy dia iray amin’ireo renivohi-paritra telo hananganana hopitaly i Morondava (Menabe), miaraka amin’i Maintirano (Melaky) sy Manakara (Vatovavy Fitovinany). Tsy manana Ben’ny tanàna efa ho herinandro koa izao i Morondava, koa asa na hampahafantarina amin’io sabotsy 25 septambra io ny PDS vaovao. Raha izay dia ny ao Morondava izany no fanendrena PDS voalohany taorian’ny fihaonambem-pirenena natao teny Ivato ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra lasa teo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.