Politique

Andry Rajoelina tao Toamasina Tsy nahajery ilay Lapan’ny tanŕna


  • Alarobia 20 Jolay 2011

Niezaka nitety ireo toerana misy fanorenana fotodrafitrasa nampanantenaina fa hamboarina ao Toamasina i Andry Rajoelina ny sabotsy 16 jolay teo, fotoana nijanonana tao.

 Nijery ny toby  fiantsonan’ny taksiborosy tao Tanambao V izy, izay efa nambara fa hasiam-panamboarana saingy ny Kaominina aloha hatreto no fantatra fa nanototra ny rano be tao. Nijery ilay toerana hananganana ny “Cité Fitiavana” ao Barikadimy, indray izy avy eo. Mbola kenonkenona koa no betsaka ao fa raha ny asa dia mbola manahirana ny vola hanorenana ireo trano 50 eo ho eo nampanantenain’ny filohan’ny FAT hatao ao. Taorian’izay dia nijery ny fanamboarana ilay hopitaly ambara fa hanara-penitra aty amin’ny ranomasimbe Indiana naorina ao an-tokotanin’ny Magro Morafeno ny filohan’ny FAT sy ireo mpiara-dia taminy. Ity hopitaly ity ihany izao no asa mba mandeha. Ankoatra izay, na nanam-pikasana hijery ilay Lapan’ny tanànan’i Toamasina izay nanaovan’ny filohan’ny FAT filazana miezinezina tamin’ny volana febroary 2011 aza izy dia tsy tontosany io. Nilaza izy tamin’izay fotoana izay fa tsy mba mandainga ny fitondrana tetezamita tarihiny fa izay teneniny tsy maintsy tanterahina. Tokony ho notokanana ny 26 jona lasa teo moa izy ity, saingy mihitsoka ny asa, ka tsy nanopy maso azy ny filohan’ny FAT. Tsy fantatra ny antony ! Ny SPAT no fantatra hatreto fa niantoka ny fanamboarana ny tafon’ity Lapan’ny tanàna ity, izay hany vita hatreto. Tsy mazava ny ankoatra izay !

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT