Politique

Andry Rajoelina sy Roland Ratsiraka Samy mandeha samy mitady


  • Alatsinainy 15 Novambra 2010

Vaky ambatolampy nandritra ny fandalovan’ny filohan’ny FAT tao Toamasina sy nandritra ny fampahafantarana ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) sy Kongresin’ny tetezamita (CT) tao amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana ny ady «mangatsiaka» efa mila hivadika ady «mafana» eo amin’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina sy ny filohan’ny MTS, Roland Ratsiraka.

Roa andro tao Toamasina, Analanjirofo sy Atsinanana, ny filohan’ny FAT. Fa nandritra ireo hetsika rehetra ireo dia tsy hita sy tsy tazana ny MTS an’ingahy Roland Ratsiraka sy ny tenany amin’ny maha filoha lefitry ny CST misolo tena an’i Toamasina azy ihany koa. Tsy nipoitra ihany koa ny ekipan’ny MTS eo anivon’ny CST sy ny CT nandritra ny fampahalalana azy ireo tao amin’ny lapan’ny Faritra. Mpikambana CT 12 amin’ireo 18, ary 4 tamin’ireo CST miisa 6 ho an’ny Faritra Atsinanana no tonga. Raha ny tsiliantsofina re dia baiko midina no anton’io, nisy rahateo ny dian’ny MTS tany Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo, nanakonana azy kanefa 24 ora talohan’izao, anisan’ny nitarika olona nidina an-dalambe nanao «sit-in» teo anoloan’ny banky BFV-SG ingahy Maso José Michel, mpikambana CT.

Voatery nesorina ny seza natokana ho an’i Roland Ratsiraka tamin’ity lanonana ity, ka ny filoha lefitry ny CT, Rtoa Naharimamy Lucien Irma, no nitarika. Tsy hay koa anefa izay nanjo ity filoha lefitry ny CT misolo tena an’i Toamasina ity, fa nandritra ny famaranana ny lahateniny dia nampiasainy ilay hoe : “Masina ny Tanindrazana”, izay tsy fampiasa mihitsy raha sata repoblikanina marina no misy eto, afa tsy ireo manana fahefana amin’ny ara-tafika sy ny lehiben’ny tafika ihany.

Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa voatery nametra-pialana tsy ho mpikambana CT Randriantsalama Jackie, noho ny asan’ny filohan’ny Antenimieran’ny Varotra Toamasina sy ny asan’ny CT tsy azo afangaro. Re koa fa nametra-pialana Rtoa Voizy Blondine, voatendry ho mpikambana CT. Izy rahateo tsy tonga tamin’ity fampahafantarana ny CST sy ny CT ity, noho ny lalàna mifehy eo anivon’ny antoko misy azy dia ny Tiako i Madagasikara. Marihina fa hivory ara-potoana faharoa ny CST sy ny CT voatendrin’ny fanjakana FAT ny 19 novambra ka hatramin’ny 09 desambra ho avy izao, araka ny didy hitsivolana mametraka azy ireo.
 
RTT sy Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT