Niara-dalana tamin’ny raharaha 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana teto amin’ny firenena i Andry Rajoelina sy Hajo Andrianainarivelo.
Tsy nisaraka fa teo foana nandritra ny tetezamita. Rehefa tonga anefa ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2013, dia vaky ny ady. Efa niketrika hatry ny ela amin’ny firotsahany ho kandida filoham-pirenena i Hajo Andrianainarivelo, saingy efa tsinjony mialoha fa tsy anisan’ireo safidin’i Andry Rajoelina, ka hotohanany amin’ny fifidianana rehefa tsy nahazo nirotsaka noho ny “ni…ni…” ny filohan’ny tetezamita tamin’izany. Nisafidy ny nandeha irery i Hajo Andrianainarivelo izay namorona ny Antoko Malagasy Miara-miainga, ka samy nanana ny lalany izy ireo nanomboka teo. Ankehitriny, samy miketrika ny firotsahan-kofidiany na i Hajo Andrianainarivelo izay miketrika mafy ny hahazo ny toeran’ny mpanohitra eny anivon’ny antenimiera na i Andry Rajoelina, izay efa nilaza fa tsy hisy hahasakana azy. Mikatsaka mafy ny ho kandidan’ny mpanohitra i Hajo Andrianainarivelo, raha dinihina amin’ny fihetsiny, ary efa sesilany ny fivezivezena any ivelany mba hanomanana izany. Samy maka ny fon’ireo mpanao politika na antoko lehibe mpikambana amin’ireny vovonana iraisan’ny antoko sokajiana ho mpanohitra ireny na i Andry Rajoelina na i Hajo Andrianainarivelo. Eo, ohatra, ny Hetsika Mitsangana ry Malagasy, izay efa nilaza fa manohana ny fakan’i Hajo Andrianainarivelo sy ny Antoko MMM ny toeran’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimiera. Mbola iraisana ihany koa ny vovonana ARMADA, izay samy mpikambana ao avokoa na ny MAPAR na ny Antoko MMM. Tsy hay na samy miady sisika ho lohany sy hahazo ny fon’ireo mpikambana anaty vovonan’ny mpanohitra izy ireo na manao sarimihetsika fotsiny fa hifanohana ihany atsy ho atsy. Re ihany koa anefa fa tsy levon’ny vavonin’i Hajo Andrianainarivelo mihitsy ny nanohanan’i Andry Rajoelina an’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.