Politique

Andry Rajoelina sy Edgard Razafindravahy Vaky ny ady mangatsiaka?


  • Alakamisy 11 Novambra 2010

Na ingahy Andry Rajoelina aza no nametraka an’ingahy Razafindravahy ho Pds eo anivon’ny kominina Antananarivo Renivohitra dia tsapa ary hita fa mangatsiaka ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta.

Momba ireny tetikasa marobe nolazain’ny filohan’ny FAT ireny fa hatao eto an-drenivohitra dia karazan’ny nanao rano dikain’ny zinga ihany ny filohan’ny FAT. Raha ny lalàna mantsy dia tokony handalo eo anivon’ny filankevitra monisipaly ireny saingy araka ny fanazavana, dia tsy nisy resaka mihitsy. Eto Antananarivo renivohitra anefa no voalaza fa hasiana métro, na tramway, raha tsy hiteny afa-tsy ireo. Midika izany fa tsy maintsy hisy trano ho ravana. Tsy vao tamin’iny asabotsy iny ihany no nanao rano dikain’ny zinga ingahy Rajoelina fa nanomboka tamin’ny fanamboarana ny lapan’ny tanàna, raha ny tsiliantsofina re dia tsy niaraha-nidinika tamin’ny kominina mihitsy izany. Nomena ny ministeran’ny fanajariana ny tany avy hatrany nyfiandraiketana ilay tetikasa. Ankehitriny mihantona ny fanamboarana ny trano, tsy misy manko ny vola satria tsy tafiditra tao anatin’ny tetibolan’ny kominina. Araka ny vaovao ihany dia tsy nahazo fahazoan-dalana tamin’ny kominina ny fanaovana ireny tsena mora ireny fa karazan’ny nanao amboletra ny FAT sy ny TGV nametraka azy ireny. Araka izany dia mametra-panontaniana ireo mpanara-baovao raha toa ka vaky ny ady eo amin’ny Pds-n’Antananarivo sy ny filohan’ny FAT. Tsetsatsetsa ihany no hampatsiahivina fa tamin’ireny Andry Rajoelina nanao fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna ireny, no nampanatenany fa hananganana trano fivarotana goavana, antsoina hoe “centre commercial” ireny eo amin’ny Espalanade Analakely ary dia hoe hatao lalambe mizara 4 ny lalana Petite Vitesse. Telo taona aty aoriana, dia samy afaka  mamaly ny tsirairay  hoe aiza ho aiza ny fahatanterahan’ireo fampanantenana ireo. 

 Nangonin’i Soa       

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT