Herinandro lasa izay rehefa nanda tsy ho any Dar es Salam, Tanzania, tamin’ny fivorian’ny Troika-SADC i Andry Rajoelina dia nanipika mazava fa nangataka fihaonana tamin’ny filoha Tanzania sady filoha am-perinasa mitarika ny Troika mba hanazavany ny zava-misy.
Nambaran’i Andry Rajoelina ny faran’ny herinandro teo, raha namonjy fotoam-bavaka teny amin’ny Akamasoa Andralanitra izy, fa tsy ho ela io fihaonany manokana amin’ny filoha tanzanianina io. Ny zava-nisy aloha dia ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana indray no voaray mialoha tany amin’ny State House Dar es Salam ny talata 11 desambra teo. Voadingana aloha teo i Andry Rajoelina, ary azo antoka fa tsy nampoiziny ny fanambarana nataon’Atoa Marc Ravalomanana taorian’ny fihaonany tamin’ny filoha tanzanianina, Jakaya Mrisho Kikwete nilaza fa tsy hilatsaka hofidiana izy amin’ny fifidianana hatao amin’ny 2013.
Tsy ferana raha noho io koa no antony nampihemotra tampoka an’i Andry Rajoelina tsy nanao fanambarana indray ny talata teo, izy izay efa nilaza fa efa fantany ny valin-teniny na hilatsaka hofidiana na tsia, ary hanambara tsy ho ela izany ho fanta-bahoaka. Ny talata 11 desambra no nandrasan’ny maro izany fanambarany izany saingy tsy nisy.
Nisy koa ny dinika politika natao teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny 06 novambra 2012, niarahan’ny governemanta malagasy sy ny Vondrona Eoropeanina, ho fampiharana ny andininy faha-8 amin’ny fifanarahan’i Cotonou. Ny praiminisitra no fantatry ny vahiny tamin’io, fa voadingana tany ny filohan’ny tetezamita. Talohan’io dia voaasa tany Bruxelles ny praiminisitra Beriziky.
Dia tokony ho tonga saina i Andry Rajoelina eo anatrehan’izany, indrindra fa raha hisisika na hanao amboletra hirotsaka hofidiana dia efa famonoan-tena iniana sy tadiavina ny azy.
Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.