Manomana fatratra ny fifidianana 2018 i Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao na tsy maneho hevitra amin’ny raharaha politika aza.
Ny tontolon’ny serasera sy ny fanomanana ny propagandy no tena hiomanany fa tsy dia maharototra azy hatreto ny pitsopitsony hafa. Ny hamerenana ny laza sy ny mety ho tanjany amin’ny fahazakana vahoaka no ketrehiny mafy ankehitriny, ka ireo orinasan-tseraserany no tena ampiasainy. Vao tsy ela akory izay ny nahavitan’ilay fandaharana fifaninanan-kira hoenti-manangana tarika mpihira iray, ka hatao ny fomba rehetra hampalaza azy io. 100 000 000Ariary ny bolongam-bola hoenti-mamelona sy hampalazana azy ankoatra ny pitsopitsony hafa. Nisy ihany koa ny trano famokarana manokana ho hanafainganana ny famelomana azy. Zava-dehibe ny laza sy fahazoan-dakan’io tarika mpihira io ahitana zatovolahy 5, nampisalorana ny anarana “G5”. Hatao fitaovana ny tarika hoenti-misarika ny olona, indrindra ny tanora. Rehefa tonga ny propagandy dia ny G5 hatrany, ankoatra ireo artista hafa no hatao lafika hisarihana olona ho ao an-damosin’i Andry Rajoelina, mandritra ny fampielezan-kevitra.
Hanakorontana
Mbola baraingo ary mampametra-panontaniana kosa anefa hoe hisy ve ny fahafahana mirotsaka an-kalalahana mandritra ny fifidianana 2018 sa dia hampihatra ny ady an-kanosana ny HVM, izay tsy sasatry ny mitady hevitra hanaovana kapa ranjo hanakanana ireo kandida atahorana ? Anisan’ireny ilay fananganana fitsarana manokana momba ny heloka ara-ketra, hamelezana ireo mpitondra teo aloha, toa an’i Andry Rajoelina izay kendrena hogadraina mihitsy. Na minia mangina aza anefa izy dia manana ny paikadiny dia izao fahanginany izao. Ny resaka mandeha kosa dia tsy hipetra-potsiny ny tenany sy ny ekipany rehefa migadona ny 2018 raha tsy havela hirotsaka, ka na hisy korontana aza eto tsy olana ho azy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.