Politique

Andry Rajoelina Nitsoriaka any Israely


  • Alarobia 02 Janoary 2013

Tsy mahatombina mihitsy ! Lasa tany Dar-Es-Salam (Tanzania), avy eo nihazo an’i Parisy (Frantsa), izao indray nitsoriaka tampoka tany Israely. Izay ireo dia nambara ofisialy, fa teo anelanelan’izay dia misy loharanom-baovao hafa milaza fa mbola tany Maorisy.

 Tsy fomban-dRajoelina loatra ny manao dia misesy toa io fa ao raha. Ny azo antoka dia mampiasa loha azy mafy ny hoaviny manoloana ny fifidianana amin’ity 2013 ity, indrindra taorian’ny nanambaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa tsy ho kandida izy, ary koa ny fanerena ataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, indrindra ny SADC, mba tsy hilatsahan-dRavalomanana sy Rajoelina amin’io fifidianana io, ilay resahina ombieny ombieny hoe : “Ni…Ni”. Tery ny lalana ho an-dRajoelina, hany ka sasatry ny mampihemotra ny fotoana hilazany ho fanta-bahoaka izay fanapahan-keviny izy. Betsaka ny zavatra miseho mandra-pahatonga izany. Dia io lasa tampoka any amin’ny Tany Masina, any Israely io.

Niala teto ny alin’ny 31 desambra 2012 izy sy ny ankohonany, araka ny fampitam-baovaon’ny mpiandraikitra ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny tetezamita. Fivahinianana masina, ka hiankohoka eo amin’ny Fasan’i Davida mpanjaka, no voalaza fa anton-diany any ary koa hihaona amina tompon’andraikitra ambony hebreo. Rehefa Israely moa no resahana dia mby ao an-tsaina avy hatrany ny resaka fitaovam-piadiana sy ny resaka fitsikilovana, izay tena manavanana azy ireo, ka ho hita eo ny fanampim-panazavana mikasika ny akon’ity dia tselatra ity. Eto an-toerana etsy ankilan’izay dia mandeha ny feo ny faran’ny herinandro teo fa dia nahazo toromarika ny any amin’ny Faritra mba «hihetsika» ka hanao fanambarana mitaky ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo, manoloana ny faneren’ny iraisam-pirenena amin’ny «Ni…Ni».

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT