Nihaona tamin’i Andry Rajoelina tao Iavoloha ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny foloalindahy ny alatsinainy 03 mey.
Fihaonana fanindroany io tato anatin’ny telo herinandro. Fihaonana tsy azo natrehina saingy raha zohina amin’ny fanazavan’ny filohan’ny FAT nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao Ambohitsorohitra omaly hariva dia mazava fa fotoana nampahafantarany ny sori-dalana nangatahan’ny foloalindahy taminy io, no nanaovany tatitry ny fihaonana tany Pretoria koa. Tsiliantsofina no nandrenesana fa nandroso ireo datim-pifidianana i Andry Rajoelina, ankeviny nentina handresen-dahatra ny foloalindahy anbamba, raha tokony ho anjaran’ny CENI no manambara izany. Re fa hatao amin’ny 11 aogositra ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana, amin’ny 15 septambra ny fifidianana depiote handrafitra ny Antenimieram-panorenana ary ny 10 novambra ny fifidianana filoham-pirenena.
Tsy nambara moa na mpifidy vaventy na latsa-bato mivantana no hifidianana ny filoham-pirenena. Nandinika io sori-dalana io ny foloalindahy nanomboka omaly, izay misalasala be ihany ny ankamaroany, indrindra ny amin’ny fankatoavana iraisam-pirenena. Koa eo no mipetraka ny fanontaniana. Raha manda ny miaramila, izay hanao ny fanambarany anio na rahampitso, inona no hataon’i Andry Rajoelina manoloana ireo vava be nataony tato ho ato : hiazakazaka hiverina any Pretoria afaka tapa-bolana sa hametra-pialana ? Raha manery an’i Andry Rajoelina hiverina any Pretoria indray koa anefa ny miaramila, inona no hitranga : hametra-pialana izy aza hanaiky hiverina an-databatra boribory afaka 15 andro. Any amin’ny miaramila izany izao ny baolina ny amin’io. Miampanga ny filoha isany Ratsiraka sy Ravalomanana ho mamafy lainga i Andry Rajoelina mikasika ny fisiana na tsy fisian’ilay fifanarahana mialoha sy fifanatrehana mivantana teo aminy sy i Marc Ravalomanana. Ny 23 aprily ny mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana no efa nanda tamin’ny alalan’ny fanambarana an-tsoratra ny fisian’izany fifanarahana manokana izany, saingy niandry ny 03 mey i Andry Rajoelina fa milaza fa lainga indray izany. Fa inona no tao?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.