Politique

Andry Rajoelina Nasain’ny TIM ho eny Mahamasina


  • Alakamisy 29 Jona 2017

Antomotra ny 8 jolay, fotoana hanatanterahan’ny Tiako I Madagasikara (TIM) ny fihaonambe hanamarihana ny faha-15 taona nijoroan’ity antoko naorin’i Marc Ravalomanana ity.

Fotoana lehibe hoentin’ny TIM maneho ny heriny io, ary hanasana ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka amin’ny maha tsy mialon-jafy ny antoko. Noporofoin’ny TIM sy i Marc Ravalomanana ihany koa fa mandala ny fihavanana, ary vonona amin’ny fisokafana amin’ny herivelona sy hery politika eto amin’ny firenena izy, ka nandefasana fanasana avokoa ireo lehibena antoko politika eto amin’ny firenena. Isan’izany ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina, izay tompon’antoka tamin’ny raharaha 2009.  Raha ny tantara no zohiana dia tsy azo eritreretina ny hisian’ny fifanasana sy ny mety ho fifanatonana eo amin’ny roa tonta, saingy manaporofo hatrany i Marc Ravalomanana fa olon’ny fihavanana sy ny fifampiresahana, ka tsy ho izy mihitsy no ho sakana amin’ny fifanatonana mba hitsinjovana ny soa ho an’ny firenena. Tsy hay aloha hatreto na hamaly ny fanasana azy ny filohan’ny Tetezamita teo aloha Andry Ra        joelina na handefa solontena na koa tsy hisy olona avy amin’ny MAPAR mihitsy hanatrika ity lanonambe eny Mahamasina amin’ny 8 jolay ity.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT