Tsy mbola nanambara ny heviny momba ny haha kandida na tsia azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena i Andry Rajoelina, na dia maro aza ireo niandry fatratra izany ny sabotsy teo.
Ny fitokanana ny Kianjan’ny Makis sy ny fanambarana ireo fandaharanasa hafa hotanterahany no nataony teny Andohatapenaka. Tsy misy milaza mihitsy hoe ratsy ny nanorenana ny kianja Makis, sy ny fikarakarana manokana ny mpilalao baolina lavalava, fa moa ve tena asa natao amin-kitsim-po sy ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro ilay izy, sa misy kajikajy politika. Hita mantsy fa efa hatramin’i Andry Rajoelina nanao propagandy tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna, sy nandritra ny hetsika notarihany tamin’ny 2008-2009 no efa nanambitamby sy nikarakara fatratra ny mponina eny ambany tanàna, tahaka ny nikarakarany ny miaramila sy ny zandary. Noho ireo fanorenana fotodrafitrasa nataony sy mbola hataony, noho ny firafitry ny kabariny sy ny fiezahany mafy hanatona bebe kokoa ny vahoaka no hahafahana milaza fa ho kandida i Andry Rajoelina.
Ny mahagaga anefa dia ny tsy mbola nanambarany tamin’ny fomba ofisialy ihany io filatsahan-kofidiany io hatramin’izao. Raha ny fahafantarana ny dinika nataony tamin’ny filoha Kikwete tany Tanzania ny zoma teo anefa dia tsy mbola nisy ny fanambarana fa tsy ho kandida izy. Ka asa hoe : miandry inona ary i Andry Rajoelina ? Mbola misy ve ny fifandresen-dahatra sy fifampidinihana miafina any ho any, sa misy ny zavatra tsy mbola milamina tsara ? I Andry Rajoelina Anefa dia efa nilaza fa efa fantany ny fanapahan-keviny ary ho hampafahantariny tsy ho ela amin’ny vahoaka, efa ho tapabolana izay no lasa fa tsy hita ihany izay tena marina, fa feno fisalasalana sao tsy ho lany.
Be loatra koa ny fampanantenana nataony nefa tsy tanterany eo koa ny tahotra ny mety ho fihetsiky ny olona, raha mananararaotra ny lanonana hanambarana ny filatsahan-kofidiana nefa ho sioka sy hogahoga, toy ny efa niseho tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahatena sy teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina no hasetrin’ny olona azy. Izy koa na hilatsaka aza, tsy ho lany raha tsy hoe angaha …
RTT sy Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.