Politique

Andry Rajoelina Milaza ho tia tanindrazana nefa sady mankahala no manilika Gasy


  • Alakamisy 17 Janoary 2013

Mazava ny tenin’i Andry Rajoelina tao amin’ny Radio France Internationale (RFI) omaly maraina fa tsy mbola afaka miverina eto Madagasikara ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha tsy voafidy ny filoham-pirenena vaovao hitantana ny Repoblika faha-4.

 Araka ny fanazavany dia efa nisy ny fifanarahana tamin’ireo filoham-panjakan’ny SADC fa tsy azo ekena ny mety hisian’ny korontana na savorovoro eto Madagasikara mialohan’ny fifidianana. Aminy sy ny mpomba azy mantsy dia tsy maintsy hiteraka korontana ny fahatongavan’Atoa Ravalomanana eto, koa noho izany dia vita mihitsy ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka, raha araka ny fanirian’ny filohan’ny tetezamita, izay vao mety afaka mody an-tanindrazana i Dada. Tsy nisy filazana ny momba io hoe fifanarahana ny amin’ny fodian’i Marc Ravalomanana io mihitsy anefa, ny fanambarana navoaky ny SADC omaly.

Asa koa na fifandrifian-javatra na efa kajy politika no nahatonga ny filohan’ny tetezamita handroso hevitra ny amin’ny hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka voalohany indrindra. Ka avy eo vao atao ny fifidianana filoham-pirenena, sady mety hitatra ny tetezamita amin’izay no mety efa manana ny maro an’isa ao amin’ny Parlemanta ny ankolafy Rajoelina ka mety hanita-kevitra ao indray. Rehefa tena nodinihana mantsy ny fihetsik’ity ankolafy ity hatramin’izay dia toa ny fanakanana ny fodian’ny filoha teo aloha an-tanindrazana mihitsy no tena laharampahamehana voalohany indrindra amin’izy ireo, koa raha misy ny paikady arafitra, dia tsy maintsy misy ifandraisany foana amin’izay fanakanana ny fodian-dRavalomanana izay.

Tsy ho tafapetraka tanteraka eto anefa ny tena fitoniana raha tsy mihatra ireo fepetra rehetra mifandraika amin’izay, ao anatin’ny tondrozotra dia ny fodian’ireo sesitany politika rehetra ka anisan’izay i Marc Ravalomanana, ny famoahana ny gadra politika sy ny fanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT. Niaiky i Andry Rajoelina, raha nitafa tamin’ny mpanao gazetin’ny RFI fa dia nananatra azy mba tsy ho kandida fa hiandry amin’ny 2018, ohatra ny minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay Atoa Laurent Fabius, saingy mbola nohamafisiny indray fa nalalaka tanteraka tamin’ny fanapahan-keviny ny tenany fa tsy nisy tsindry na teritery mihitsy nanodina ny sainy, na avy amin’iza io na avy amin’iza. Milaza ny ho tia tanindrazana sy nanao sorona ny tenany i Andry Rajoelina, miezaka ny mampiseho ny tenany ho mpitondra modely izy, kanefa mbola manindraindra hatrany ny fankahalana sy ny fanilikilihana ary mihevitra foana ny hafa ho ratsy sy loharanon’ny korontana. Fa nahoana moa no ambara fa tsy maintsy hiteraka savorovoro foana ny fodian-dRavalomanana eto, indrindra fa amin’izao zava-drehetra efa mazava tsara izao ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT